Tanora sy olon-dehibe : 20 hatramin'ny 50 taona, olona efa nandalo ny fialan-tsakana, ary amin'ny dingan'ny fanomanana ny fahanterana. Ny fikoloina ny aina dia ilàna fanomanana hatrany, izay tsy mifantoka amin'ny filan'ny nofo fotsiny. Ny sakafo dia isan'ny fototra hikoloina ny aina, noho izany dia misy fotoanany ny fisakafoana, mila fialan-tsasatra ny vavony ; in-telo isan'andro no tsara hisakafoana ka ny maraina no tena atao feno sy tsara... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Zo fototra ho an’ny olona tsirairay, na lahy na vavy, na ankizy na olon-dehibe no misitraka sakafo sahaza ho azy. Isan’ny navoitran’ny ministry ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy Andriamatoa Francesco Machini avy ao amin’ny biraon’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo na ny FAO eto Madagasikara izany nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany hoan’ny sakafo teny amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina ny 16 oktobra 2016...

 Misy tanora miezaka mafy amin'ny fianarana nefa tsy mahatratra ny tanjony; misy mahazo diplaoma nefa tsy mahita asa. Toetra tsara hananana ny tsy fahakiviana. Ny olona tsirairay dia samy manana ny fihetsiny maoloana ny tranga iray. Zava-dehibe ny finoana, ny fanantenana ary ny fifanohanana. Ny tsy fahombiazana dia tsy mamaritra ny hasarobidin'ny olona iray. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Tanora AHAPPY...

Mba hiomanana sy hanomanana ny tanora sy izay ho tompon'andraikitry ny firenena amin'ny ho avy tsara kokoa dia tsara ny hanaovan'ny mpianatra sy ireo mpikaroka eny anivon'ny Anjerimanontolo, fikarohana sy boky fanohanana hevitra manodidina ny dinam-piaraha-mitantana izay efa nisy. Miainga amin'ny olona 2 ny fiaraha-mitantana ary fototra mahamafy orina izany ny toe-tsaina. Ny DINA dia hajain'ny Malagasy kokoa miohatra amin'ny lalàna, satria niorina tamin'ny fifanakalozan-kevitra, fifampiresahana, fifanajana, ahitana taratra fiombonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Ny zava-misy ankehitriny dia maro ny tanora, mbola tsy nihomana amin'ny fanabeazana ny zanaka sy ny fiahiana ny ankohonana, izany hoe ny sehatra maha ray aman-dreny, anefa tena mitondra any amin'ny faharavan'ny ho avin'ny zanaka ny fahadisona ataon'ireo ray aman-dreny. Maro ny  tsara ho fantantra manodidina ny fampihantana zanaka ary misy voka-dratsiny; ny fampihantana dia mety ho tsy famelana ny zanaka hisitraka araka ny maha-izy azy, isaky ny taona lalovany, ankoatra ny fanarahana ny sitrapony... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny fahasalaman'ny zaza vaoteraka hatramin'ny faha-5 taona dia ilàna fahalalana fototra : tonga volana ve ilay zaza (37 - 41 herinandro), nitomany mafy ve ilay zaza tamin'ny vao teraka, lanjan-jaza, ary tsara sy tomombana ve ilay zaza, misakafo tsara ve, ny fahadiovan'ny zaza sy ny sakafo. 1 taona ny zaza efa tokony hanomboka haleo tena, eo ihany koa no hanampiana ilay zaza hiteny marina sy mazava ohatra hoe "Tôtô" no hanazaratsika ny zaza anefa tokony hoe "Alika" ; ny fampianarana fahalalam-pomba sy fanalàna azy amin'ny tahotra, avela hilalao sy hifangarao amin'olona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Tsy maintsy mifototra amin’ny fananganana orinasa manodina ny vokatra ara-pambolena isika raha te hanafaka ny fahantrana misy amin’izao fotoana izao, indrindra eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Manana fahafahana manao izany tsara i Madagasikara fa mila finiavana avy amin’ny rehetra ny fanatanterahana azy. Izay no votoatin’ny voka-pikarohana nataon’i Dokotera Rajaonson Hugues, mpahay toekarena, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo.

Zava-dehibe ny asa ataon'ireo matihanina, mikarakara olona an-tsitrapo, izay tena ialaina eo amin'ny fahasalaman'ny fiaraha-monina sy ny hatsaram-piainana iombonana. Maro ireo olona misehatra amin'izany asa fikarakarana ny hafa izany, ka izany no nahatonga ny Firenena Maikambana nanokana Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Asa Fikarakarana ny Hafa sy ny Fanohanana (Journée Internationa des Soins et de l'Assistance), izay ankalazaina ny 29 ôktôbra. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastoralin'ny Fahasalamana...

Ilaina ny fahafantarana ny tantara, ny 14 oktobra dia daty manana ny tantarany ho an'ny firenena Malagasy, nahaterahan'ny Repoblika Voalohany. Nankalazaina ary natao ho fety hatramin'ny taona 1972, ny andro nahaterahan'ny Repoblika. Taty aoriana dia natambatra tamin'ny fankalazana ny 26 jona ny fetin'ny Repoblika sy ny fetin'ny Fahaleovantena. Nisy ireo dingana nolalovana mialoha ny 14 oktobra : ohatra ny 1944 nisian'ny Conférence de Brazzaville, izay niresahana ny famotsorana ireo firenena voazanaka ;  teo koa ny Conférence de San Francisco ny taona 1945... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin’ny faritr’i DIANA. Manana tetik’asa iarahana amin’ny Réseau SOA tohanan’ny F.F.F- F.A.O izy ireo. Tetik’asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo. Misitraka ny tetik’asa ny Fikambanana FIVEMPISA ao amin’ny kaominina Sajoavato, distrikan’Antsiranana faharoa. Zava-dehibe ho azy ireo io tetik’asa io satria ao Antsiranana faharoa no misy ny faritra arovana miisa 9 amin’ireo 19 any amin’ny faritr’i DIANA...

Fianakaviana, fiaraha-monina: toerana roa samy manana ny hanitra ho azy. Mifampiditra, mifampiankina, mety hifanohitra fomba fijery sy soatoavina, mety hifaka tahaka koa nefa matetika. Ny fianakaviana koa dia afaka manova ny fiaraha-monina, satria ao an-tokantrano no ianarana ny fitiavana, fanajana, fahamarinana ary andraikitra, izay entin’ny tsirairay any amin’ny fiaraha-monina. Koa raha maniry "Ho avy mendrika kokoa" isika, dia manomboka ao amin’ny fianakaviana anio ny fanorenana izany ho avy izany. Misy fiantraikany amin’ny fianakaviana ny fiaraha-monina, amin’ny alalan’ny teknolojia, ny asa, ny toe-karena ary ny fiovan’ny fomba fisainana...

Ny tantara dia fototra sy zava-dehibe tsara ho fantatra ary isan'ny maha olom-pirenena. Ny 14 oktobra 1958 no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara, ny 26 jona 1960 vao nambara ny fiveranan'ny fahaleovantena. Rariny raha ankalazaina ho fetim-pirenena ny 14 oktobra fa ny 26 jona kosa dia fetin'ny Foloalindahy. Ny tantara efa nisy no manaporo fa azo atao ny maka ireo orinasa sy seha-pamokarana nofehezin'ny vahiny ka notantanan'ny Malagasy maro ny nahazoana vokatra tsara; anatin'ny fanavaozana izao, hirika afahana mampandroso ny fahalalana ny tantara... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...