Fiainana andavanandro ary mety hahakasika ny rehetra ny "tsy fahombiazana sy ny fahadisoana". Ny atao hoe "tsy fahombiazana" dia ny tsy fahatratrana izay heverina ho vokatra andrasana, izany hoe misy hetsika natao anefa tsy nahazoana vokatra araka izay nofaritana. Ny hoe fahadisoana dia ny fialana amin'ny lalana heverina hitondra any amin'ny tanjona, zavatra tokony natao anefa tsy natao, ohatra hoe fantatro aho fa tsy tokony hifoka sigara anefa hatao ihany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny faha-10 oktobra no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasalaman'ny saina. Ny fahasalaman'ny saina dia singa fototra ary andry mamaritra ny atao hoe fahasalamana. Ny olona salama saina dia ireo afaka amatrahana andraikitra ary afaka mampiasa ny talentany, ny fahaiza-manaony, ary rehefa afaka mihatrika ny olany andavanandro, eo ihany koa ireo ny fahafahana miasa ka ahazoana vokatra, ary farany ny fahaizany mandray anjara amin'ny fiaraha-monina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nomarihana ny 28 septambra teo ny andro eran-tany iadiana amin’ny haromontana. Mila manamafy ny fitandremana ny faritra maro eto amintsika fa ahitàna ny aretina haromontana mahazo ny biby mafàna rà toa ny alika sy ny saka any amin’izy ireo. Dia ny eto amin’ny faritra Analamanga, Vakinakaratra, Sofia, Itasy, Bongolava, Betsiboka, Atsinanana ary Androy...
Loharanon’aina sy fanantenana ho an’ny hafa sy ho an’ny tontolo iainantsika isika. Manasa antsika handinika ny fiovana manomboka ao am-po. Rehefa mahatsapa ny ratran’ny tontolo sy ny fijalian’ny hafa isika, dia antsoina hanova ny fomba fijery sy ny fomba fiainantsika, ka hamela ny “Rano velona” hikoriana amin’ny fifandraisantsika sy ny fihetsika ataontsika. Manana lanja eo amin'ny fiainana ny rano, izay indrindra no ilàna fiaraha-mientana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, amin'ny fomba fitantanana ny rano ara-drariny. Mifamatotra ny fitarainan’ny tany sy ny fitarainan’ny olona, indrindra ireo marefo, io no ilàna ny fiovana ao am-po...
Misy singa mampihavaka firenena iray, misy hita maso, ary misy koa ny ren'ny sofina. Ny fototra miisa telo maha firenena ny tany iray dia ny tany, ny teny ary ny tantarany ; famantara hita maso ny sainam-pirenena ary ny ren'ny sofina kosa dia ny hiram-pirenena. Ny fampiasana ny tenim-pirenena no isany hanehoana ny fiandrianam-pirenena amin'ny fotoan-dehibe toy ny fivoriana iraisam-pirenena maro samihafa sy fifanankalozana ara-diplômatika. Ny fahamarinana sy ny fandalàna izany no tena maha-olombanona sy maha olon'ny finoana, ary mampivoatra, ombana firaisan-kina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Taon-jezika an-kady ny fanabeazana ka aina no fetra, handao isika hifanome tànana. Ny tiana hambara dia mivelatra be ny fanabeazana. Ny tanjona amin'ny fampahafantarana ny mikasika ny herisetra ao an-tsekoly dia hisorohana ireo mety hitranga, tsy fahazoana vokatra ara-panadinana tsara, fialàna an-daharana, ary fanampiana ny ray aman-dreny halala bebe kokoa ny andraikiny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny crampes dia fihenjanan'ny hozatra tsy ninihana, tampoka ary maharary, izay mikasika hozatra iray na vondron'ny hozatra. Mety hahazo ny hozatra rehetra ny crampe, fa matetika indrindra izy miseho amin'ny faritry ny rantsambatana ambany, indrindra amin'ny ranjo, ny valahana ary ny tongotra. Matetika miseho rehefa amin'ny fotoana fialana sasatra ny crampe, matetika amin’ny alina, na rehefa avy nanao ezaka ara-batana tsy mahazatra. Mifandray amin’ny fahatairan'ny hozatra sy ny nofo izy ity, ka mampikainkona ny hozatra tampoka tsinahy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mbola olana hoan’ny mpanao asa tanana vita amin’ny volibe na ny Bambou tsy ahafahan’izy ireo mivelatra eo amin’ny tsena iraisaisam-pirenena ny tsy fahampian’ny kalitao sy ny fenitra takiana amin’ny famokaran’izy ireo. Maro nefa ny firenena afaka mandray ny vokatra eto Madagasikara, toa an’i Seychelles sy La Reunion. Misy koa ireo manondrana any Eraopa...
Ny ho avy dia tsy zavatra andrasantsika fotsiny fa zavatra amboarintsika tsikelikely amin’ny zavatra ataontsika androany. Ny hoe tsy miandry fa mamorona dia tsy midika hoe mila mahavita zavatra lehibe avy hatrany fa mety ho fanombohana kely, mety ho fianarana zavatra vaovao, mety ho fizarana fahaizana, mety ho fanampiana olona iray, mety ho hevitra iray izay mbola kely androany, fa mety hitombo rahampitso. Afaka manomboka amin’ny fampiasana ny fahaizako hanampiana olona iray aho. Mety ho fizarana fahalalana, fampianarana zavatra haiko, fanampiana olona iray hanomboka tetikasa, na famoronana serivisy kely mamaha olana iray...
Ny manana faharanitan-tsaina dia olona mety ho tompon-toerana fotsiny ; ny olona manana rafi-tsaina no tompon'andraikitra, ireo anefa dia afaka mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana olona ho tompon'andraikitra izay mitereka vokatra tsara izay tena fahavanonana ; fa ny fitaizana kosa dia fampitàna fahalalana ho tonga fahaizana mba hatonga azy hahazo asa na toerana. Eo amin'ny 15 taona eo no fametrahana rafi-tsaina ao amin'ny olona iray. 11 hatramin'ny faha-15 taona no misokatra ny maha izay ny olona iray, koa eo no tena ilàna fifankahazoana sy fifampiresahana, ary hamantarana ny safidy sy talenta ao amin'ny zanaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Isany olana goavana sedrain’ny tantsaha eto Madagasikara ny tsy fahitana ny lalambarotra amin’ny vokatr’izy ireo. Sehatra nampifandraisana ny tantsaha mpamokatra sy ny orinasa mpanodina ny vokatra, ary nikatsahana lalambarotra vaovao hoan’ny mpamokatra ny tsenabe iraisampirenena momba ny Fambolena na FIA andiany faha valo, nampiarahina tamin’ny festivala iraisampirenena momba ny sakafo andiany faharoa...
Ny sosona ôzônina dia manana anjara lehibe amin’ny fiarovana ny tany amin’ireo taratra ultraviolet (UV) mampidi-doza avy amin’ny Masoandro. Ny fahasimban’io sosona io dia mety hampitombo ny fiparitahan’ireo taratra ireo sy hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Noho izany, ilaina ny fahafantarana ireo loza mety hateraky ny fahasimban’io singa io sy ny fandraisana fepetra tsotra mba hiarovana ny fahasalaman’ny tsirairay sy ny fianakaviana. Mifototra indrindra amin’izany ity fandaharana ity...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco