Ny mpiventy amin'ny lahabolana "ôsika na ôsiky" no tena atao hoe mpiôsika. Ity lahabolana ity dia atao hira am-bava, mazana arahana tehaka, misy koa anefa mampiasa zava-maneno. Ny ôsi-dihy dia ahitana olona manao dihy mihitsy. Ny faritra atsinanana-avaratra any Analanjirofo, Ambatosoa no tena miangaly azy, ankoatra ny ao Alaotra. Tsy misy fetra ara-potoana arahina amin'ny fanaovana ny ôsika fa arakaraky ny aingam-panahy. Maro ny fomban-drazana hanaovana ny ôsika fa ny tena hanehoana ity lahabolana ity dia ao anatin'ny fifaliana, ankoatra ny hoe fahafatesana na fahalasanana ray aman-dreny efa voky andro, ohatra 90 taona no mihoatra...
Ny Ôsika na Ôsiky dia lahabolana malagasy fiangalin'ny Betsimisaraka Avaratra, ny foko Tsimihety, Faritra Ambatosoa, eo ihany koa ny Faritra Alaotra (Sihanaka). Lahabolana atao an-kira ary manana endrika antsa. Tsy mifidy sokajin-taona ny fiangaliana an'ity lahabolana ity, ary fanao amin'ny fotoan-dehibe amin'ny lafin-javatra an-karavona. Misy karazany ny ôsika: ôsi-drazana fanao amin'ny fanatanterahana fomban-drazana; ny ôsi-tromba izay fiantsoana tromba; ny ôsin-tsintaka fanao amin'ny fampankaram-bady; ny ôsi-dihy sy ny ôsi-jijy...
Ny "andriana" avy amin'ny teny sanscrite midika hoe "ambony" na hoe "voalohany". Ny maha andriana dia tsy mifototra loatra amin'ny volon-koditra na toetry ny volo, fa amin'ny toetra amam-panahy kosa; ny andriana dia olona ambony manana ny hajany sy fahefana, iankinan'ny olona maro, to teny. Ny nipoiran'ny andriana dia avy any India, nanodidina ny taonjato faha-XVI. Tamin'ny taonjato faha-XVIII no nidiran'ny Andriana teto Madagasikara tany amin'ny faritr'i Maroantsetra. Ny faritra sy foko maro eto Madagasikara dia samy ahitana andriana. Ankehitriny dia amin'ny alalan'ny fanomezana mari-boninahitra no hanomezana haja olona...
Andriamamilaza dia olona nalaza taorian'ny fotoana nanjakan'Andriamasinavalona. Ny faritra nisy azy dia tany Analamainty, faritra anakazondandy-Mangamila-Anjozorobe, ary nalevina ao Anjohy. I Andriamamilaza dia lehilahy mpimasy, nanana fahendrena sy hakingan-tsaina ary nahay sy nahafehy ny zava-boahary manodidina azy sy ny fiaraha-monina. Izy no nitsapa sy naka fanahy ireo zanak'Andriana tao amin'ny faritr'Imerina efatoko, tamin'ny alalan'ny famangiana isam-paritra ka nitondrany ireto zavatra ireo ho fitsapana : Hazo tsotsoraka, tantely velon-dreny, ary volontsangana-tsy vaky...
Ny "Sôvaramita" dia lahabolana haifamoronana avy amin'i Raphi sy L Niry Andriamora. Azo lazaina efa zava-kanto raikitra tao amin'ireo mpanakanto teo aloha izy ity, izay ahenoana gadona miavaka, tena Malagasy. Iretsy roalahy namorona sy nanome an'ity lahabolana ity dia samy nandalina ny taranja Malagasy (Riba sy literatiora) ; etsy ankilany dia mifona hanatra sy fanabeazana ary hatsikana sy fialamboly ny Sôvaramita. Mora ho an'ireo izay mahafehy teny hodidina izy ity, indrindra ireo izay mahafehy haingon-teny...
Ny "Sôvaramita" dia lahabolana teraka tamin'ny alalan'ny hai-famoronana, teraka ny taona 2013 ; voambola roa no mandrafitra ny teny hoe "Sôvaramita" dia ny "Sôva" sy ny "Kidaombaramita". Ity farany moa no nakàna ampahanteny "Ramita". Ny Sôvaramita dia manana endrika pôezia, sy fifanosonan'ny literatiora moderina sy ny nentim-paharazana. Ny mpanoratra sady Pôeta L. Niry Andriamora ary Raphi no namorona azy ity. Naka tahaka ny fomba ny sôva amin'ilay mitanisanisa, ary tsy maintsy mingadona kidaombaramita...
Etoana dia ireo mety ho hafatra napetraky ny olona iray mialohan'ny hafatesany no tiana resahina eto. Ny hafatra dia teny napetra amin'olona hafa, teny am-bava na an-tsoratra, mety hisy vavolombelona na tsia. Ny teny dia manana ny hasiny, torak'izany koa ny fanahy, izay velona foana na maty aza ny vatana. Ny isa telo dia isa masina ary metitika misy amin'ireo tranga samihafa, toy ny hoe "maty in-telo ilay fiara" rehefa nitondrana razana iray amin'ny toerana izay mifanohitra amin'ny hafatry ny maty. Mety hiteraka loza ny tsy fanatanterahana ny hafatry ny maty anefa mety ho fifandrifin-javatra ihany koa...
Ny "miteny" sy ny "mivolana" dia samy matoan-teny, ny "tsy" manoloana azy ireo eto kosa dia mpamari-toetra, ireo no mitambatra no menome hevitra "havonavona, fanambaniana", "tsy fifanajàna. Ny hoe"miteny" dia manokatra ny vava, manambara teny mazava, mamoaka ny ao am-po ; ny "mivolana" dia an-tsoratra kokoa, miditra lalina kokoa. Misy heviny mifamatotra amin'ny tantara ary taratra amin'ny kolontsaina ny hoe "volana". ireto misy voambolana ahatarafana ny hoe "volana" ireto : Rasavolana, Mitambolanela(mitan-tsoratra), volan'onjatsy...
Ny hoe "Rasavôlagna" dia misy heviny roa ka ny voalohany dia midika "veloma" ary ny faharoa kosa dia mifanandrify amin'ny lahabolana, azo takarina amin'ny hoe "lahateny". Ny lehilahy matetika no manao ny "Rasavôlagna" kanefa tsy voatery ho izay arakaraka ny zava-misy. Ny fitondrana teny ao anatin'ny Rasavôlagna dia tsy iadivana, ny fehezan-teny, nataon'ny mpandray fitenana averin'ny mpamaly isaky ny handray fitenana dia fanehoana fa mahay mifampihaino ny roa tonta ary mifanaja. Ny toaka ifampizarana amin'ny fotoana hisian'ny fomba sy ny Rasavôlana fanolorana dia toaka vokatry ny tany...
Ny Rasavôlagna dia lahabolana malagasy sy mbola misy mpanao tsara amin'ny fiainana andavanandro. Ny Rasavôlagna dia ny lehilahy amin'ny ankapobeny no tena mpanao azy, lahabolana any amin'ny Betsimisaraka sy ny Sihanaka. Ny Rasavôlagna dia misy karazany toy ny hoe: Rasavôlagna handeha, Rasavôlagna fanolorana, Rasavôlan-dratsy, Rasavôlagna antsabora, Rasavôlagna fisaorana... Ny Rasavôlagna dia toa maivana sy tsy zarizary raha toa ka tsy misy toaka; voninahitry ny toaka mantsy ny Rasavôlagna.
Ny Manisotra dia vondron'olona nosokajiana ho mpiantafika sy mpiady tamin'ny andro nanjakan'Andriamasinavalona. 30 lahy no niatombohan'ny Manisotra, izay voairaka haka ny tanànan'Ambohimasina, izay niova ho Ambohijoky rehefa azon'ireo iraka. Taranaka vazimba, taranaka Zanamahazomby izy ireo, olona matanjaka sy mahay miady ary lian-dra, lehilahy manidina sy mahery, maranin-tsaina ihany koa ireo Manisotra. Maro ny faritra sy ny tanàna no nanirahana ireto Manisotra ireto mba hakana fanjakana ka isan'izany ny tao Fenoairivo, Ambatodrazaka ary Tsienimparihy...
Ny Marofotsy dia anaran-toerana ary nonenan'ireo foko "Marofotsy". Foko iray ankoatra ireo foko maro efa hain'ny maro. Taloha dia Ambaniandrefana no anaran'ny toerana voalaza etsy aloha ; ireo olona na foko "Marofotsy" kosa dia "Maromainty" no niantsona aza fa rehefa nifanitsaka tamin'ny anaran'ireo omby maro tao Ambaniandrefana dia novàna ho "Marofotsy" mba hiavahan'ny olona sy ny biby. Olona avy amin'ny faritra samihafa nandositra fanandevozana sy famorentana ara-dalàna. I Marofotsy dia eo afovoan'ny Faritr'i Boina, Faritr'Imerina, Faritra Sihanaka ary Faritra Tsimihety...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco