Ratsimilaho dia mpanjaka sy mpitari-tafika tao amin'ny Faritra Betsimisaraka, nizara telo ny foko tao amin'iny faritra iny dia ny Antavaratra, ny Tsikoa na Betanimena ary ny Antatsimo. Noho ny fiadiana ny harena izay nisy tao Toamasina sy Fenoarivo dia nanangana tafika i Ratsimilaho, nahitana miaramila 200 lahy ka ireo no nantsoina sy nomena anarana hoe "Betsimisaraka". I Ratsimilaho dia maty ny taona 1745 ary nalevina ao amin'ny Nosy Sainte-Marie. Ratsimilaho dia zanaka jiolahin-tsambo anglisy sy Rasoa na Rahena, avy amin'ny foko Zafiramisoa...

Ny loko amin'ny tontolo isainan'ny Malagasy dia mifanahaka amin'ny toetra amam-pihetsika, amin'ny fomba fisainana, amin'ny filôzofia Malagasy ary ny kolontsaina. Ny Malagasy tsy mametraka ho zava-dehibe ny fitsimbinam-pihavanana, ny tsy fiziriziriana hany ka lasa manana fahazarana manao teny verindroa ireo voambolana manambara loko ; ohatra : menamena, mangamanga, fotsifotsy.  Ny "mainty sy ny fotsy" dia entina ilazàna zavatra miiba, ny "manga" ilazana zavatra tsara, Ny "mena" fiandrianana na fitohizan'aina. Mety hiova isam-paritra ny hevitry ny loko (Mainty - Manga - Maitso)...

Andriamahazonoro dia anisan'ireo Mpanazary-Ombiasy nafarana ho eto Imerina tamin'ny vanim-potoana nitondran'Andrianampoinimerina, mba hanampy sy hanolontsaina ary niantafika niaraka tamin'ireo miaramila tamin'izany fotoana. Nampianatra sy nampita fahalalana maro avy amin'ny Foko Antemoro, indrindra ny sorabe teto Imerina. Andriamahazonoro dia isan'ireo masoivoho Malagasy voalohany tany Angleterre. Ireo Mpanazary-Ombiasy miisa dimy (Imosa, Ratsimezy, Andriambita, Ratsilikaina, Andriamahazonoro) dia samy maty novonina tamin'ny fomba tsy voafaritra ka iretsy telo voalohany no niara-maty...

Ny lahabolana "Kalo" na "kalokalo dia lahabolana atao an-kira, hirain'olon-tokana, fahatsiarovana sy fiventesana an-kira embona sy alahelo, mety ho fifaliana na alahelo. Ny teny hoe "kalo" dia mifanandrify amin'ny teny Malay hoe "Kalu" "kelu" midika hoe mitaraina na mitoloko ; "kalaw" midika ho "mpitsoka sodina". Ny teny "kalo" ankoatra ity enti-manondro lahabolana dia hanondrona " ody, na fiarovana, na famaritana na famantarana toerana na zavatra manan-tompo. Ny kalo dia lahabolana effa nisy sy fanaon'ny Malagasy talohan'ny nampidirana ny Literatiora teto Madagasikara...

Ny lahabolana "Kalo" na "kalokalo dia lahabolana atao an-kira, hirain'olon-tokana. Hira misy miolakolaka sy miangolangola mahaontsaontsa ; fahatsiarovana sy fiventesana an-kira ny embona sy alahelo ary hanina ny andro fahiny, mety ho fifaliana izany na alahelo atamberin'ny tadidy. Ny kalo madinika dia sombitsombin-tantara vetsoina, hirain'olon-drery, mampiseho alahelo sy embona ary hanina. Tsara ny manamarika fa ny karazan-kira mientanentana sy mampandihindihy ary tsy manetsika ny fo ho ontsaontsa dia tsy mba kalo na kalokalo...

Ny manjanaka Portugais dia nametraka paik'ady sy fanjanahana ara-tsaina, fa ny Frantsay dia fanjanahan-tany no nimasoany tamin'ny alalan'ny fandrobàna sy famonoana olona, fambaboana tany. 182 taona no nanjanahan'ny Frantsay ny mponina tao Taolagnaro. 376 taona lasa izany niorenana ny Egilse tao Taolagnaro. Tsy ny Frantsay rehetra nalefa namita iraka teto Madagasikara no ratsy fa nisy maromaro izy ireny no nitondra soa ho an'i Madagasikara. Nanombohan'ireo mpanjanaka ny fidirana teto Madagasikara ny fanorenana toeram-piantsonana lehibe teo amin'ny nosy...

Andriandramaka dia malagasy voalohany nandranto fianarana tany ivelany, ary ihany koa malagasy voalohany natao batemy. Ny Mpanjaka Tsiambany no rain'i Andriandramaka, nanjaka tao amin'ny nosy Fanjaira, Taolagnaro. Andriandramako dia zanaka lahiaivo, nalain'ny mpanjanaka Portugais am-pitaka ary nentiny nandranto fianarana tany Goa-Inde noho ny fifanarahana ara-taratasy nataon'ny rainy sy ilay Kapitenin-tsambo Paolo Rodriguez. Telo taona no faharetan'ny fianarana nataon'Andriandramaka tany Inde...

Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; lahabolana azo heverina fa mbola ampiasain'ny Foko Sakalava. Karazan-dahabolana nampidirina teo amin'ny fanjakàn'Imerina ny "Antsa" satria tao antin'ny fotoana nanjakan'Andrianampoinimerina. Ny lahabolana "RARY" no nampiasaina sy natao teto an'ivon-tany talohan'ny nidiran'ny ANTSA. Azo sokajiana ho lahabolana masina ny ANTSA, porofon'izany ireo sokajin'olona niangaly azy teo amin'ny fitondrana faha-mpanjaka dia ireo Tsiarondahy sy Tsiarombavy, tsy handairana vorika sy mosavy ; izy rahateo natao hanasinana...

Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; izy io dia tonom-bavaka firarian-tsoa, fanirian-tsoa sy fiderana ny mpanjaka fahizany. Karazan-dahabolana nampidirina teo amin'ny fanjakàn'Imerina ny "Antsa" satria tao antin'ny fotoana nanjakan'Andrianampoinimerina vao nisy ity lahabolana ity, fanao amin'ny mpanjaka. Ny tena anaovana ny "Antsa" dia ho fankalazana sy fiderana ny fiandrianan'ny mpanjaka, fa atao ihany koa ho fihobiana ny mpandresy an'ady avy niantafika...

Ny omby noho ny hasiny teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia nasolo olona amin'ny sorona na fomba maro. Ny hena amin'ny omby iray dia voatsinjara araka ny voninahitry ny olona na ny toerany ara-piaraha-monina,na fifandrohina ara- pihavanana. Amin'ny ala volon-jaza dia ny nofo-kena sy ny trafony no hanatontosàna ny fomba, ; amin'ny fandevenana dia samy manana ny zara hena ny tompo-manjo sy ny fianakavian'ny maty, ny vehivavy sy ny lehilahy mpanotrona. Ny renim-bintana 12 dia misy lokon'omby mifanandrify aminy : Adaoro dia loko mainty misy fotsy ny handriny sy ny trafony, antsoina hoe vatoambo...

Jamoka no anarana niantsoana ny omby taloha ; ireo razamben'ny Malagasy "Vazimba" dia efa nihinana io biby io. ireo Aôstrôneziana tonga teto Madagasikara no tsy nihinana "omby", fa taty aoriana ny Malais dia nihinana tsikelikely?. Ny omby manga dia tsy misy ronono no sady tsy misy trafo. HELA - HENINA dia midika hoe "hena" amin'ny teny Aôstrôneziana. Ny HENA dia ilazana ny omby maty, ialàn'ny tongony sy ny rambony ary ny lohany. Omby vavy mainty na mena fa misy faritra fotsy @ lohany sy ny tongony aman-tanany miampy ny rambony no atao hoe omby volavita...

Ny "korambe" dia lahabolana entina hiresahana ny zava-misy amin'ny endrika kanto, mety ho hatsikana ihany koa. Ny "korambe" dia  miainga amin'ny fanontaniana ary mety hiafara amin'ny fanontaniana ihany koa ; ny tantara fohy ao anatiny dia manakaiky kokoa ny marina sy ny zava-misy, mifandraika amin'ny fiainana andavanandro. Ny "korambe" dia karazan-dahabolana miendrika tantara fohy fanaon'ny foko betsimisaraka-avaratra. Ny fotoana fanaovana ny korambe dia rehefa miasa eny antsaha, rehefa mipetrapetraka an-tanàna amin'ny antoandro na hariva na koa rehefa miari-tory amin'ny alina...

Sous-catégories

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...