Ny sakafo masina amin'ny Eokaristia no mamelona ny olona, sakafo tokana manome ny ain'Andriamanitra ho antsika dia tsy inona fa ilay "Teny Tonga Nofo". Ireo fizaràna roa ao amin'ny Litorjian'ny Eokaristia dia ny Eokaristia Tenin'Andriamanitra sy ny Eokaristia Sorona amin'ny alalan'ny Mofo sy ny Divay dia mifameno. Ny teny dia tanteraka ao amin'ny tolotra ary ny atolotra dia hazavain'ny Teny... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
"Manaova izao ho fahatsiarovana ahy" hoy i Jesoa namintina ny Fanasana nanokanany ny Eokaristia ho Sakramenta noforoniny tamin'ny Alakamisy-Masina. Namerina io teny io Jesoa ho fahatsiarovana ny Paka tamin'ny nanorina io Eokaristia io dia tsy midika hoe manokana ho an'ireo mpianany izany fa fanomezana ho azy ireo avy amin'ny Fanahy Masina. Ny Eokaristia no manambara an'i Kristy... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Raha miresaka ny Eokaristia isika dia tsy afa-misaraka aminy ny Paka. Ny niandohan'ny Paka satria ny fankalazàna ny Eokaristia dia fahatsiarovana ny Paka. Andriamanitra mihitsy no nanome baiko ny hitandremana ary hanaovana matetika ny asa mahagaga nasehony ho fanehoana ny Paka mba ho fahatsiarovana izany fotoana lehibe izany. Paka fanomezana lehibe avy amin'Andriamanitra hamonjena antsika olombelona ... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Lehibe ny fahaiza-miaina maneho fifankatiavana, fiombonana. Zava-dehibe ny fahatsapana fa Masina Andriamanitra, mendrika fanajàna ireo havana efa nodi-mandry dia ireo razana nandraisantsika sy nandovantsika ny fahendrena sy ny fiombonana ary indrindra ny fifankatiavana. Tokony kolina sy harovana ny firenena ka mila fahatongavantsaina izany ho an'ny mpino tsirairay sy ny mpiray tanindrazana ary hitandrina sy hanao ny rariny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco