Alahady 21 desambra 2025. Alahady fahefatra — Taona A "fiavian’ny Tompo" : Hiara-monina amintsika Andriamanitra ; Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia. Ireo fihetsika nataon'i Masindahy Joseph dia maneho fa olo-marina izy satria tsy mankasitraka ny fahafatesan'ny hafa, nanaraka ny feon'Andriamanitra ary mihaino sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Rehefa miala amin'ny fahotana isika dia afaka manavaka ny feon'Andriamanitra amin'ny fakam-panahy. Ny zanak'Andriamanitra tonga nofo dia ho an'ny olombelona rehetra ary honina eo amintsika...
Mpisorona i Jesoa satria nanolo-tena amin'ny Ray ary nanolotra ny ainy ho sorona teo amin'ny hazofijaliana ho antsika olombelona. Ny teny "sorona" dia manana heviny maro fa eto amin'ity katesizy hifampizarana ity dia i Jesoa nanolotra ny tenany ho sorona ho antsika olombelona no heviny, ary miantso antsika hanolo-tena toa Azy koa ho porofon'ny fitiavana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Fankalazàna sady fahatsiarovana ny lasa, vavaka mamelona fanantenana ankaotra ny maha vavaka fisaorana azy no avoitry ny vavaka Eokaristika ataon'ny Kristiana satria i Jesoa no nametraka io sakafo io tamin'ny fanasana nataony ny "Alakamisy Masina" ho ao anatin'ny rafitra litorjika. Ny hazofijaliana dia fanomanana antsika hiatrika ny sakafo homanin'i Jesoa... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Rehefa hamarana ny diany teto an-tany i Jesoa Kristy dia nanao fanasana fiaraha-misakafo tamin'ny mpianany sady fanamarihana ny fankalazàna ary fizaràna hafaliana amin'ny Paka io fotoana io ; izany no niandohan'io Eokaristia io, tandindonn'ilay sakafo farany niarahan'i Jesoa tamin'ny mpianany. Tsy afaka misaraka mihitsy ny sakafo farany "Eokaristia" sy ny hazofijaliana ary ny fitsanganan-ko velona... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco