Manoloana ny tranga misy ankehitriny dia miroaroa saina ny vahoaka ka ilaina ny vavaka ho fanalana ozona eto amin'ny firenena ; voahitsaka ny zo aman-kasin'ny olona sy ny fokonolona. Tokony hazava tsara ny fivezivezen'ny olona amin'ny alalan'ny fampiharana ny jado (couvre feu), indrindra manoloana izao fanakorontanana ny firenena amin'ny hala-jaza sy ny fakana ankeriny. Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindrafo ny aiko, hazavao aho anio, hambeno ary tahio, ary zakao, Amen! ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Tena tsy azo atao tsirambina ny fisian'ny Fanahy Masina ; ary hanaraka azy an-kafanam-po. Noho izany dia tsy ho vitan'ny sain'olombelona no hoe handeha hifandray, handeha hiresaka, handeha hifanakako hevitra raha tsy eo ny Fanahy Masina. Toa an'ireo Apôstôly sy mpianatra maro tamin'ny andro nidinan'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Alahady 12 jolay 2026. Alahady faha-15 mandavantaona — A — Nokendren’Andriamanitra hisy vokany eo amin'ny fiainantsika, ny Teniny. Aleloia. Aleloia. Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay. Aleloia. Tsy very maina ny tenin'Andriamanitra, efa nokendren'Andriamanitra hisy vokany amintsika ny Teniny, mety tsy ho hitantsika avy hatrany ny vokany sy ny fivoarana haterany, anefa miasa mangina Izy, efa mamelona sy manavao ny olona sy ny tantaran'olombelona Izy. Ny Tenin'Andriamanitra dia teny velona sy mahery, porofo ny nahariana an'izao rehetra izao...
Samy miombona eo amin'Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy Masina ihany ny olona nefa indraindray ary ao vao tena misy fizarana. Toa re manako foana ilay vavak'i Jesoa hoe : mba ho iray anie izy rehetra. Mila antsoina mandrakariva ny Fanahy Masina mba ho fiombonana tena izy no hitranga. Ny Konsily dia antso afahan'ny rehetra hifanakalo hevitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco