23 ôktôbra — Teraka tao Naples, tao Aquila, Capistran, ny 24 jona 1386 i Jean. Tompomenakely ny rainy. Mbola kely izy no maty io rainy io ka ny reniny no nanome azy ny fanabeazana fototra. Avy eo nalefa tany Pérouse nandritra ny folo taona izy, nandalina ny lalana sy ny lalan'ny Fiangonana.
22 ôktôbra — Teraka ny 18 mey 1920 tao Wadowice tao Cracovie, Pologne i Karol Józef Wojtyła. Zanaka lahy faharoa an'i Emilia Kaczorowska sy i Karol Wojtyła izy. Ny 20 jolay 1920 no natao batemy i Karol Józef Wojtyła. Teo amin'ny fahasivy taonany izy no nandray ny Kômonio voalohany ary teo amin'ny fahafito ambin'ny folo taonany no nandray ny Fankaherezana.
21 ôktôbra — Misy Céline roa no tsaroana ny 21 ôktôbra. Teo i Masimbavy Céline de Laon, renin'i Masindahy Rémi. Ary eo koa i Masimbavy Céline de Meaux, virjiny.
20 ôktôbra — Niaina tamin'ny taonjato fahafito i Irène de Tomar na Irène du Portugal. Teraka tao Tomar tao Portugal izy ary kristianina mafana fo ny ray aman-dreniny. Nankinina tamin'ireo nenitoany, relijiozy, ny fanabeazana azy, dia i Julie sy i Chaste izany.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco