11 ôktôbra — Teraka tao Narbonne tamin'ny 516 i Firmin. Tonga tao amin'ny dadatoany antsoina hoe Roricius tao Uzès izy. Eveka tao io dadatoany io nanomboka ny taona 533 hatramin'ny taona 538, izy io no eveka fahatelo tao amin'ity tanana ity.
10 ôktôbra — Teraka tany Grèce tamin'ny fiantombohan'ny taonjato fahafito, avy amin'ny fianakaviana gauloise na bèlge i Ghislain. Tao aorian'ny nandalinany haisoratra tao Athènes dia niditra tao amin'ny fikambanana manaraka ny fitsipi-piainan'i Masindahy Basile izy, ary nohamasinina ho pretra. Nisy nilaza fa arseveka tao Athènes ihany koa izy.
09 ôktôbra — I Denis, dia eveka niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Teraka tao Italie izy ary nohamasinina ho pretra sy eveka ka nalefan'ny papa hitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule, niaraka tamin'ny eveka dimy hafa.
08 ôktôbra — Teraka tao Antioche tamin'ny taona 430, ary nantsoina hoe Marguerite i Pélagie. Niasa tamin'ny tarika mpilalao andapihazo izy. Nodimandry tao Jerosalema izy ny taona 457. Ny toriteny nataon'i Nonnus, eveka tao Edesse tamin'ny taona 453 no nampiova sy nampibebaka azy, ka nahatonga azy nihataka tany an-tendombohitr'i Oliva, nanao asa fibebahana mandram-pahafatiny.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco