15 ôktôbra — Teresa Sánchez de Cepeda Dávila y Ahumada no tena anaran'i Thérèse d'Ávila. Teraka tao Espagne ny 28 marsa 1515 izy, fahatelo amin'ny ankizy roa ambin'ny folo mianadahy. Ny fahatanorany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny fiarahana tamin'ireo mpiray tampo aminy marobe ireo. Marani-tsaina i Thérèse fa tovovavy somary jejojejo izay izy.

14 ôktôbra — Niaina tany amin'ny taonjato fahatelo tany i Calixte na Calliste ary martiry. Kristianina izy, fa andevo babo, ary nasain'ny tompony nitantana banky iray. Tsy nahay nitantana izy ka lasa bankirompitra izany banky izany ary nohelohina izy ho any amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, tany Sardaigne.

13 ôktôbra — I Alexandrina de Balazar na Alexandrina Maria da Costa no tena anarany, dia teraka ny 30 marsa 1904 tao amin'ny toerana antsoina hoe Gresufes, tao amin'ny tanana kelin'i Balazar, distrikan'i Porto tao amin'ny arsidiôsezin'i Braga ao Portugal. Alarobia masina tamin'izay ary ny sabotsy masina tao aorian'io izy no natao batemy, izany hoe ny 02 aprily 1904.

12 ôktôbra — Marihana ety am-piandohana aloha fa ny datin'ny 02 ôktôbra no nahafatesan'i mompera Jan Beyzym, izany hoe io no daty nahaterahany any an-danitra. Ny datin'ny 02 ôktôbra moa efa lasa, fa misy ihany koa ireo tetiandro izay milaza fa ny 12 ôktôbra no ahatsiarovana azy, eo ireo milaza fa ny 18 aogositra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...