♦ Nomarihana androany ny ivon'ny faha-10 taona Centre hospitalier Privé Saint Benoît Menni eny Imerintsiatsosika... ♦ Misokatra amin'ny tsena iraisam-pirenena ny vokatry ny fiompiana sasany eto Madagasikara, afatsy ny omby. Isan'izany ny tantely... ♦ Tsy afa-bela tamin'i Ekipam-pirenen'i Tanzanie indray ny Barea an'i Madagasikara, nisaraka ady sahala ny lalaon'ny roa tonta androany, tamin'ny lalao andro faharoa tafiditra amin'ny fifanintsanana CAN 2027... ♦ Mbola mandrahona ny handaroka baomba ireo foto-drafitr'asa any Moyen-Orient i Iran...
♦ Hiatrika lalao faharoa amin'ny fifanitsanana handehànana any amin'ny CAN 2027 anio hariva ny Barean'i Madagasikara. Lalao hifandonan'i Madagasikara amin'i Tanzania ao amin'ny stade d'honneur de Maknès any Maroc... ♦ Mila havaozina ny fanaovana pôlitika eto amin'ny firenena, ka tokony hirosoana ny dinika pôlitika hoy ny antoko RPSD. Nanao sonia ilay sata fitondran-tena ho an'ny dinika pôlitika novolavolain'ny VMFR ity antoko ity... ♦ Miantso vonjy manoloana ny savorovoro ara-piaraha-monina misy ny mponina any Ankililoake distrikan'i Toliara-II. Savorovoro nandritry ny lanonana "savatsy" niafara tamin'ny doro tanàna...
Ny "Sôvaramita" dia lahabolana haifamoronana avy amin'i Raphi sy L Niry Andriamora. Azo lazaina efa zava-kanto raikitra tao amin'ireo mpanakanto teo aloha izy ity, izay ahenoana gadona miavaka, tena Malagasy. Iretsy roalahy namorona sy nanome an'ity lahabolana ity dia samy nandalina ny taranja Malagasy (Riba sy literatiora) ; etsy ankilany dia mifona hanatra sy fanabeazana ary hatsikana sy fialamboly ny Sôvaramita. Mora ho an'ireo izay mahafehy teny hodidina izy ity, indrindra ireo izay mahafehy haingon-teny...
♦ Mivahiny mandritry ny 13 andro eto Madagasikara ny lehibe maneran-tanin'ny fikambanan'ny Masera "Fille de Marie Auxiliatrice" Notsenaina tamin'ny fomba miavaka tetsy Ivato omaly izy... ♦ Volavolan-dalàna 6 misy fiantraikany amin'ny fiainana ara-tsôsialy sy toe-karen'ny malagasy no nankatoavin'ireo Solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly... ♦ Tsy tontosa hatramin'ny farany ilay fifaninana fanamoriana moto "Imerinkasinina Race Cup". Nitondra fanazavana momba ny zava-nitranga ny sabotsy teo ny avy amin'ny mpikarakara, omaly... ♦ Mikasa ny hivarotra fitaovam-piadiana amin'i Chine i Etazonia...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco