Manao hetsika hanentanana ny vehivavy hiatrika ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro ny ao amin’ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Fikambanana nijoro tany amin’ny taona 2016 saingy nohavaozina ny taona 2024. Nizara fahalalana hoan’ny mpanao gazety misehatra amin’ny tontolo iainana momba ny anjara andraikitry ny vehivavy manoloana ny amehana ara-toetr’andro eran-tany androany ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Tamin’ny alalan’ny Atrik’asa fifampizarana no nanehoana izany....
• Tsy afa-manoatra fa voafetra ny asa ho an'ireo mpikaroka mpampianatra izay tsy ampy tosika ara-bola... • Omena karatra maha matihanina ireo mpanao asa tanana, sy ireo tanora nahavita fiofanana tamin'ny ivontoerana fanofanana araka asa eto Madagasikara... • Antoka iray hizorana any amin'ny fampandrosoana ny firenena ny fametrahana ny Faritra mizaka tena sy ny fanajana ny lalana, hoy ny antoko MMM...
25 jolay no andro iraisam-pirenena hisorohana ny maty an-drano. Araka ny voalazan'ny OMS dia olona 236.000 isa eo ho eo no maty an-drano isan-taona. Anisan'ireo antony 10 lehibe mahatonga ny fahafatesan'ny olona 1 hatramin'ny 21 taona ny tranga maty an-drano. Betsaka ny ambana mety hahafaty an-drano eto Madagasikara: nosy voadidina ranomasina, betsaka toerana lalovan'ny renirano sy misy farihy na koa misy rano miandrona, faritra lalovan'ny rivodoza isan-taona ka mety ho tondra-drano... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.
• Milaza ny tsy hihemotra fa hamita hatramin'ny farany ny fanadihadiana parlemantera momba ny fitantanana ao amin'ny orinasa Jirama, ireo Solombavam-bahoaka... • Tsy hisy ny fandeferana amin'ny fandikana ireo fepetra apetraka mandritra ny fanadinana bakalorea, ka isan'ireny ny tsy fahafahan'ny mpiadina mitondra finday... • Manohana hattrany ireo tanora mba hanana fahaleovantena aorian'ny fiofanana omeny ny FMA Ampasanimalo...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco