08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.
I Jesoa Mpisorona mampianatra antsika hivavaka lalandava ary noraisin'ireo mpianany ka amporisihiny antsika mba hivavaka lalandava. Tsy afaka hitonona ho kristianina isika raha tsy mivavaka ary ny fiainam-pinoantsika dia marefo raha tsy mivavaka isika. Io vavaka io no anisan'ny asa voalohany takiana amintsika kristianina hanehoantsika ny finoantsika... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Tany amin'ny manodidina ny 260 km atsinanana somary avaratra atsinanan'i Vohémar, no nisy ny foiben'ilay andro ratsy ao atsinanan'ny Faritra Sava, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Hiakatra fitsarana eny amin'ny Tendrom-pitsarana Miady amin'ny Kolikoly, na ny PAC, ny alatsinainy 10 marsa 2025, ireo voarohirohy tamin'ny rahararaha fanjavonan'ny cocaïne milanja 200 kg tratra tany Nosy-Be... • Omena lanja manokana mandritra ny hetsika “Foire Internationale de Madagascar”, na ny FIM 2025, ny fisokafan'i Madagasikara amin'ireo firenena afrikanina mivondrona ao amin'ny SADC...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco