• Mafampana ny tsy fandriam-pahalemana any Toamasina. Lehilahy iray 23 taona, maty noho ny tsatoka antsy miisa telo nihatra taminy... • Ilaina ny fifampidinihana eo amin'ny mpitatitra sy ny fanjakana, mba hisorohana ny fampakarana saran-dalana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... • Tsy manana sora-bola manokana entina hanampiana ireo traboina ny Solombavam-bahoaka, fa anjara andraikitry ny fahefana mpanatanteraka izany, hoy ny Solombavam-bahoka, Jean Jacques Rabenirina...
Ny fampandrosoana dia mivelatra amin'ny sehatra maro, miainga amin'ny tsirairay, ny faritra, ny firenena. Ireo fototry ny fampandrosoana afahana mivoatra : ara-batana (hery sy fahasalamana), ara-tsaina, ara-po. Manana zo hiato kely hanao jeri-todika, handinika ny tokony hatao ho fampandrosoana ny tena sy ny ankohonana. Ny vehivavy dia afaka mitarika amin'ny fampandrosoana sy efa zatra mindrindra asa... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco