18 ôktôbra — Tamin'ny taonjato voalohany i Luc no niaina, Syrien izy ary teraka tao Antioche. Misy milaza fa mpanompo sampy i Luc, nefa ny tahirin-kevitra sasany milaza fa nanaraka ny fombam-pivavahana jody izy. Mpitsabo no asany, fa nana-talenta tamin'ny hoso-doko ihany koa.

♦ Pretra telo sy diakra iray no nohamasinina tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy ny sabotsy 15 ôktôbra 2022... ♦ Notsofin-drano ny alahady 16 ôktôbra 2022 ny toerana hanorenana ny fiangonana vaovao ao Antanimalandy, Diosezin'i Mahajanga... ♦ Nohalavain'ny Papa François hatramin'ny ôktôbra 2024 ny Sinaodin'ny Eveka momba ny Eglizy miara-dia...

Tanterahana miaraka any Lusaka (Zambie) nanomboka androany alatsinainy 17 ôktôbra ary hifarana ny zoma 21 ôktôbra, ny fihaonan’ny Vaomieran’ny Fifandraisan'ny mpiara-belona sy ny Vaomieran’ny Fiofanana eo anivon’ny Fikambanana Salezian’i Don Bosco aty amin’ny Faritra Afrika sy Madagasikarara.

17 ôktôbra — Mpadimby an'i Masindahy Pierre tao aorian'i Évode tamin'ny fitantanana ny Fiangonana tany Antioche, tokony ho tamin'ny taona 70 tany ho any i Masindahy Ignace resahana izao. Raha hiverenana kely ny tantara dia nandositra nankany Antioche ireo kristianina tao Jerosalema, rehefa nafana ny fanenjehana tamin'izany fotoana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...