Fositra iray lehibe mamotika ny tokantrano ny fampirafesana. Rivotra mitsoaka ary tena mahazo toerana izany ankehitriny. Ireo endrika telo isehoan'ny fampirafesana : ny ho an'ny filan'ny nofo fotsiny ; ny ara-pihetseham-po ; ary ny anaty tambazotran-tserasera. Ankoatra ny ady tany dia ny fisaraham-panambadiana no maro eny amin'ny Fitsaràna... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Ny saina mahiratra araka ny fikarohan'ny olombelona ary tsy mivaona fa sady lavorarian'ny fampianaran'i Kristy no manampy antsika hahazo ireo zava-misy ireo. Miankina be dia be, amin'ny firoborobon'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny hafinaretan'ny olona sy ny fokonolona. Ny Mpivady no fototra voalohany mampirindra ny fiaraha-monina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Ny fanabeazana sy ny fitaizana dia tsy afaka misaraka, ary mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana ny zanaka ho tompon'andraikitra ka ny ray aman-dreny no tahafina amin'izany, mba hahay handrindra ny fiainana, hamelona sy hiaro ny ankohonana ary indrindra hitsinjo ny ho avy; etsy ankilany ny fitaizana dia fampitana fahalalana, hahazoana fahaizana, faharanita-tsaina, izay rantovina any am-pianarana. Ny fanabeazana dia mirona amin'ny rafi-tsaina fa ny fitaizana dia mandrani-tsaina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Hatramin'ny fiandohan'ny tantarany mihitsy ny Eglizy no efa niezaka nanambara ny hafatr'i Kristy tamin'ny fampiasana ny fomba fihevitra sy fitenin'ny firenen-tsamihafa. Miohatra amin'ny fivoarana misy, izay tsy azo ihodivirana dia mandroso miaraka amin'izany koa ny fandraisan'ny Eglizy izay fivoarana takian'ny toetr'andro sady mifanohana amin'ny Vaovao Mahafaly... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco