Nanofana tanora maro misehatra amin’ny asa famokarana eny ambanivohitra nandritra ny taona maro ny Réseau SOA sy ny mpiara-mimbona antoka aminy. Maro amin’ireo tanora voaofana sy napetraka eny amin’ny tontolo ambanivohitra ireo no efa manana asa mitombona tsara amin’ny alalan’ny tetik’asa nataony.
Fankalazàna sady fahatsiarovana ny lasa, vavaka mamelona fanantenana ankaotra ny maha vavaka fisaorana azy no avoitry ny vavaka Eokaristika ataon'ny Kristiana satria i Jesoa no nametraka io sakafo io tamin'ny fanasana nataony ny "Alakamisy Masina" ho ao anatin'ny rafitra litorjika. Ny hazofijaliana dia fanomanana antsika hiatrika ny sakafo homanin'i Jesoa... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nandiso ny fivoizana ny fikasana fanonganan'ny Antenimieram-pirenena ny Praiminisitra, ireo Solombavam-bahoaka nanontanina teny Tsimbazaza androany... • Hahena 50% ny fampiasana kitay arina fandrehitra amin'ny fahandroan-tsakafo eto Madagasikara amin'ny taona 2030. Nankatoavina androany teny Anosy ny politikam-pirenena momba ny angovo madio... • Mitaky “cité” hipetrahana sy vatsim-pianarana mbola tsy voaloa, ireo mpianatry ny ENS Ampefiloha. nidina an-dalambe sy nibahana fifamoivoizana izy ireo androany, nanehoan'izy ireo izay fitakiana izay...
Rehefa hamarana ny diany teto an-tany i Jesoa Kristy dia nanao fanasana fiaraha-misakafo tamin'ny mpianany sady fanamarihana ny fankalazàna ary fizaràna hafaliana amin'ny Paka io fotoana io ; izany no niandohan'io Eokaristia io, tandindonn'ilay sakafo farany niarahan'i Jesoa tamin'ny mpianany. Tsy afaka misaraka mihitsy ny sakafo farany "Eokaristia" sy ny hazofijaliana ary ny fitsanganan-ko velona... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco