Alahady 14 jona 2026 - Alahady Faha-11 mandavantaona — A : Ianareo no fanjaka-mpisorona ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy. Ny hoe "Honena" dia mitovy amin'ny hoe "Mangoraka"-"Mihetsipo lalina" izany hoe tsy fihetsepo tsotra fa tena vokatry ny fo, ary miatraika any anaty ka mitondra alahelo. Ny vokatry ny fihetsepo lalina dia ny famindrampo ; mpamindra fo sy fitiavana Andriamanitra. Ny vokatra voalaza ao amin'ny vakin-teny amin'ity alahady ity dia ireo olona rehetra mila an'Andriamanitra...
Eny anatin'ny fiaraha-monina eny dia maro ny olona manana toe-batana somary manahirana dia ny kibo lehibe. Antony : Betsaka loatra ny "Kalôria" ampidirina amin'ny sakafo anefa tsy lany nampiasain'ny vatana ka misy tavy manodidina ny nofo sy ny oditra mandrafitra ny kibo, na manodidina ny taova hafa. Adika ho lehibe ny kibon'ny olona iray raha mihoatra ireto ny revin'ny hodidin'ny kibo (tour de taille) 88 cm vehivavy 102 ho an'ny lehilahy. Ilaina hatrany ny manatona mpitsabo mba tsy hiteraka olana hafa indray ireo fomba isan-karazany hanenana ny kibo. Ny ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Miatrika fivoriambe tsy ara-potoana ny mpanao gazety manerana ny Nosy anio sabotsy 13 jona. Manatanteraka izany ny Faritra 24 ny fivoriana, miaraka amin'ny lahadinika mitovy... ♦ Mbola tsy tontosa tamin'ity herinandro ity aloha ny fananganana ilay kômity teknika hisahana ny tantsoroka amin'ny fikaonandoham-pirenena hotarihin'ny FFKM... ♦ Misy amin'ireo sekoly no anio vao hizara ny taratasy fiantsoana amin'ny fanadinana CEPE, izay hotanterahana amin'ny talata 16 jona 2026 ho avy izao... ♦ Manameloka ireo sampam-pitsikilovana vahiny izay ambarany fa mampiasa soka-dranomasina entina mitsikilo ireo vaovao saro-pady i Beijing...
♦ Hikarakara hetsika diaben'ny fandriampahalemana anio hanomboka amin'ny 10 ora maraina ny avy amin'ny fikambanana VARIRA eto Madagasikara. Hetsika anehoana ny firaisankina manoloana ireo herisetra nisesisesy nahazo an'ireo namany... ♦ Novakian'ny Randrana Sendikaly bantsilana tany amin'ny fivoriam-ben'ny OIT andiany faha-144 natao tany Génève ireo olana mahazo ny mpiasa eto Madagasikara... ♦ Handinika ny fiainan'ny antoko sy ny tontolo manodidina azy mandritra ny roa andro ny antoko Fy-M tarihan'ny Filohany Raderanirina Sendrison Daniela, amin'izao faran'ny herinandro izao...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco