• Tsy misy firenena afaka handroso raha tsy manome lanja ny asa fikarohana, hoy ny Profesora Jonah Ratsimbazafy... • Mitady ho banga, noho ny asa andavanandro, ny fanokanan'ny ray aman-dreny fotoana ho an'ny zanany, raha ny fahatsapan'ny fikambanana mitandro sy miaro ny ankizy na ny ASPE... • Ho entina amin'izao vaovao izao ny fandaharam-potoana amin'ny fahatongavan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise eto Madagasikara rahampitso...

♦ Hanomboka amin'ny herinandro ambony ny fanadihadiana Parlemantera momba ny fitantanan'ny filoha teo aloha Andry Rajoelina hoy ny Filohan'ny Antenieram-pirenena... ♦ Misy fiatraikany amin'ny fanatrarana ny fandaharam-pianarana ny famerana ny fahafahana mivezivezy eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo... ♦ Manasa ny mpanao gazety ho avy hanatrika ny fanokafana ny taom-pankalazana ny faha-160 taonan'ny Gazety Malagasy izay tanterahana ny zoma ho avy izao, hoy ny CTOJM... ♦ Miezaka amin'ny fampitambarana an'i Libye ankehitriny ireo ankolafy mpifandrafy ara-politika any an-toerana...

Ny fitohizanaina manomboka amin'ny fotoana fitsaihina ao am-bohoka hatramin'ny vanim-potoanan'ny fahatanorana sy fahanterana dia hisian'ilay hoe "tsy maty ny aina fa mihofo." Tsy safidin'ny olona ny manapaka ny fotoana hiainana ny fitohizanaina satria tsy fahefan'ny olona ny mamono ny aina. Ny vanim-potoana fahatanorana (17 taona hatramin'ny 35 taona), avy nandalo handrakandrana, efa mahita hevitra kokoa hitondrana ny fiainana samy irery na eo aza ny tari-dalana omen'ny ray aman-dreny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nanentana ny fiangonana hanao fotoam-bavaka manokana ho an'ireo namoy ny ainy ary maintsy ny vahoaka ho tony ny fanambaràna nataon'ny FFKM, manoloana ny halatr'olona sy ny vono olona misy ankehitriny... ♦ Fanirian'i La Frantsa ny hatanterahan'ny fifidianana madio sy mangarahara eto Madagasikara aémin'ny faran'ny taona 2027 hoy ny fanehoan-kevitry ny masoivoho Frantsay Arnaud Guillois... ♦ Tafakatra amin'ny dingan'ny famaranana amin'ny fifaninana ho an'ny mondial-2026, izay hatao ny 19 jolay izao ry zareo Espagnole rehefa nandresy ny ekipam-pirenena Frantsay amin'ny isa 2 noho tsy misy...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...