• Nanamarika ny fetim-pirenena andraony ny Frantsay. Mbola nitarika ny lanonana ho an'i Madagasikara ny ambasadaorony miasa sy monina eto amintsika, Andriamatoa Arnaud Guillois... • Feno 65 taona androany ny nijoroan'ny Oniversiten'Antananarivo. Nisy ny famelabelarana narahana ady hevitra momba ny oniversite sy ny tontolony ary ny fanamby apetraka ho an'ny ho avy, androany... • Baolina kitra: manome tombon-dahany an'i Lafrantsa hibata ny fandresena manoloana an'i Espagne amin'ny lalao manasa-dalana voalohany amin'ny fiadina ny amboara eran-tany anio alina, ireo tompon'andraikitra momba ny fanatanjahan-tena eto Madagasikara...
♦ Malaza amin'ny resaka pôlitika indray ny hanitarana ny fe-potoana hitantanan'ny Fitondràna ankehitriny ny Firenena. 24 volana ihany no tokony ho faharetan'izao fitondrana izao hoy ny antoko Ilo Mada... ♦ Nanome toky ny ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony fa voafehy ny fiarovana ny laza adina Bakalôrea. Miantso ny rehetra ho mailo ho an'ireo milaza ho manana izany ny tompon'andraikitra... ♦ Sesilany ny "cours fara-doboka" rehefa akaiky fanadinana tahaka izao. Misy lafiratsiny izy ireny, hoy ireo mpampianatra mpanabe sasany... ♦ Mila vola hatrany amin'ny 1 miliara dôlara ny fanarenana ny faritr'i Gaza, potiky ny ady tao anatin'ny 2 taona...
Ny Rasavôlagna dia lahabolana malagasy sy mbola misy mpanao tsara amin'ny fiainana andavanandro. Ny Rasavôlagna dia ny lehilahy amin'ny ankapobeny no tena mpanao azy, lahabolana any amin'ny Betsimisaraka sy ny Sihanaka. Ny Rasavôlagna dia misy karazany toy ny hoe: Rasavôlagna handeha, Rasavôlagna fanolorana, Rasavôlan-dratsy, Rasavôlagna antsabora, Rasavôlagna fisaorana... Ny Rasavôlagna dia toa maivana sy tsy zarizary raha toa ka tsy misy toaka; voninahitry ny toaka mantsy ny Rasavôlagna.
♦ Namoaka fanambaràna momba ny raharaha tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nametraka fepetra hentitra ho an'ny fiatrehana ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea ny Ministeran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony. Hentitra ny fisavàna amin'ny fitondrana finday mandritra izany... ♦ Ampy tsy misy hatahorana ny famatsiana sy ny tahirin-tsolika eto Madagasikara hoy ny Ministeran'ny Angovo ka tsy misy ifandraisany amin'izany ny famerana ny fanjifàna eny amin'ny toby mpaninjara... ♦ Mikasa ny haka haba amin'ny sambo mandalo ao amin'ny Detroit d'Ormuz ny filoha Amerikana...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco