08 aprily — Julie Billiart no anarany. Ankizy tia vavaka izy ary maka fanginana matetika mba hiresahana amin'Andriamanitra. Zaza marani-tsaina i Julie : tao amin'ny sekoly izay notantanan'ny dadatoany izy no nianatra namaky teny sy nanaoratra.

Ny Fanany Masina mitoetra ao amin'ny mpino hoy isika no manohana ny mpino mba hizotra amin'ny fiainana mandrakizay. Ny Fanahy Masina no nananganana antsika ho zanaka malalan'ny Ray, mahatonga antsika ho mpanara-dia an'i Kristy. Asan'ny Fanahy Masina amin'ny fanamasinana ny Eglizy ny fampidirana azy amin'ny hafenoan'ny marina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

• Ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny Filoha Frantsay ny fitsidihana eny amin'ny Rovan'i Madagasikara... • Tsy mankasitraka ny hahatongavan'ny Filoha Frantsay eto Madagasikara, ny Cellule de Crise Diovy i Madagasikara... • Mikasa ny hikarakara fikaonan-doha hanatsarana ny fampianarana eto Madagasikara indray ny Vovonana Vonjeo ny Fampianarana...

• Hotanterahana ny 8 sy 9 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ireo olom-boatokana eto Madagasikara... • Sady mikolo ny fanahy no mikajy ny tranobe iombonana ny tanora katolika tao amin'ny Distrikan'i Begavo, Diosezin'Ambaja, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Niseho voalohany teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera ao Vatican ny Papa François omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...