I Masindahy Jean Bosco no tsaroana ny 31 janoary. Teraka tao Becchi tanàna kely tao Castelnuovo d'Asti tamin'ny aogositra 1815 i Jean Bosco. Mbola kely, vao roa taona monja izy no maty ny rainy ka ny reniny no nanabe azy telo mirahalahy.
Ireo Olomasina rehetra dia samy nandalo ny "lohasaha maizina" avokoa, toa very fanantenana aza indraindray izy ireny, nefa tsy kivy. Tsy kivy tsy mihemotra fa mandroso hatrany. Mila faharetana ny vavaka, mila herim-po ; aza miady irery fa ndrao resy, fa antsoy ny mponin'ny lanitra, hankahery sy hanohana indrindra ny Fanahy Masina sy ireo Anjely mpiambina antsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco