07 marsa — I Perpétue sy Félicité dia martiry afrikanina voalohany voarakitra an-tsoratra ny namonoana azy. I Perpétue dia "patricienne" fa i Félicité kosa dia andevo. Nangataka hatao batemy tamin'ny eveka tao Carthage izy roa ireo.
Misy fampianarana maro hamaritan'ny ara-teolojia ity fisoronana ity ka tsara ho fantatra. Ny mpiandry ary mpitarika azy ireo amin'ny anaran'Andriamanitra dia ny Eveka ary izy ireo no mpisorona sady mpanolotra sorona masina noho izany fandraharahana masina iandraiketany izany. Mpiandry ondry izy ireo araka ny fampianaram-pinoana... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny Andro Nasiônaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faha-2 hatao any Morondava... • Mangataka ny hamiliana ny fanitaran-dalana anatin'ny tetikasam-panjakana, ireo mponina voakasik'izany ety amin'ny Kaominina Ivato... • Misy andro ratsy andalam-piforonana ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina ho lasa rivodoza ato anatin'ny 48 ora izy io...
Ny fototra iorenan'ny fanabeazana dia ny fifampatokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ny fifampatokisana dia mampandroso sy mampivelatra ny ankohonana ; itsy voalohany koa dia mampirindra ny fiaraha-monina. Ny fifampitokisana dia mampisy fifanakaikaizana am-po amin'ny alalan'ireo fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra, fiarahana manao zavatra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco