I Laura Vicuña, Olontsambatra no tsaroana ny 22 janoary. Teraka tao Santiago (Chili) ny 05 aprily 1891 i Laura Carmen Vicuña. Miaramila ny rainy, mpanjaitra kosa ny reniny Mercedes Pino no anarany. Vao teraka kely i Laura dia tsy maintsy nifindra monina tany Temuco izy mianakavy.
Ny hakiviana sy ny alahelo dia isan'ireo fahavalo tsy hafahana mitolona amim-bavaka. Misy ny hafaliam-panahy ary misy ihany koa ny mifanohitra amin'izany dia ny fahoriam-panahy. Ny Alahelo vokatry ny fibebahana sy fandinihana ny fijalian'ny Tompo dia miteraka hafaliana, vokatry ny fahasoavana noraisina. Ny hafaliana vokatry ny zavatra ratsy natao dia zary alahelo... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco