♦ Malaza amin'ny resaka pôlitika indray ny hanitarana ny fe-potoana hitantanan'ny Fitondràna ankehitriny ny Firenena. 24 volana ihany no tokony ho faharetan'izao fitondrana izao hoy ny antoko Ilo Mada... ♦ Nanome toky ny ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony fa voafehy ny fiarovana ny laza adina Bakalôrea. Miantso ny rehetra ho mailo ho an'ireo milaza ho manana izany ny tompon'andraikitra... ♦ Sesilany ny "cours fara-doboka" rehefa akaiky fanadinana tahaka izao. Misy lafiratsiny izy ireny, hoy ireo mpampianatra mpanabe sasany... ♦ Mila vola hatrany amin'ny 1 miliara dôlara ny fanarenana ny faritr'i Gaza, potiky ny ady tao anatin'ny 2 taona...

Ny Rasavôlagna dia lahabolana malagasy sy mbola misy mpanao tsara amin'ny fiainana andavanandro. Ny Rasavôlagna dia ny lehilahy amin'ny ankapobeny no tena mpanao azy, lahabolana any amin'ny Betsimisaraka sy ny Sihanaka. Ny Rasavôlagna dia misy karazany toy ny hoe: Rasavôlagna handeha, Rasavôlagna fanolorana, Rasavôlan-dratsy, Rasavôlagna antsabora, Rasavôlagna fisaorana... Ny Rasavôlagna dia toa maivana sy tsy zarizary raha toa ka tsy misy toaka; voninahitry ny toaka mantsy ny Rasavôlagna.

♦ Namoaka fanambaràna momba ny raharaha tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nametraka fepetra hentitra ho an'ny fiatrehana ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea ny Ministeran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony. Hentitra ny fisavàna amin'ny fitondrana finday mandritra izany... ♦ Ampy tsy misy hatahorana ny famatsiana sy ny tahirin-tsolika eto Madagasikara hoy ny Ministeran'ny Angovo ka tsy misy ifandraisany amin'izany ny famerana ny fanjifàna eny amin'ny toby mpaninjara... ♦ Mikasa ny haka haba amin'ny sambo mandalo ao amin'ny Detroit d'Ormuz ny filoha Amerikana...

Tsy izay miantso hoe "Tompoko! Tompoko!" no hiditra any amin'ny Fanjakàn'ny lanitra fa izay manao sitrapon'ny Ray sy izay miasa amin-kerim-po. Izao ilay sitrapon'ny Ray dia hifankatiavantsika samy isika, ary ny hahitantsika an'i Kristy eo amin'io namana akaikintsika io. Antsoina ho any amin'ny hasambarana sy fiatanana isika... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...