08 nôvambra — Teraka tao Moulincourt, diôsezin'i Soissons i Geoffroy na i Godefroy. Fanta-daza tamin'ny hatsaram-panahy sy ny fitiava-namana ny fianakaviany, izay manam-boninahitra teo an-tanana ihany koa. Nanavotra fiangonana maro ny fianakaviany, ary saika hita hatrany izy ireo amin'ny fanaovana asa soa amin'ireo fadiranovana mila izany.

♦ Seminarista 76 mirahalahy no natokana ho mpamaky teny sy mpanotrona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, mpiaro ny toeram-piofanana momba ny teôlôjia ao Faliarivo Antananarivo... ♦ Notanterahana tamin'ny 3 hatramin'ny 5 nôvambra 2022, ny Filankevitry ny Talen-tsekoly Katôlika rehetra avy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja. Ka Talen-tsekoly miisa 56 no nandray tamin'izany... ♦ Nankalaza ny fetiny ny 6 nôvambra 2022 ny Distrika Misiônera Avaratsena, eo ambany fiarovan'i Masindahy Joany Paoly Faharoa...

07 nôvambra — Teraka tao Steisslingen, Allemagne i Ernest, ary mbola tanora izy no niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Zwiefalten tao amin'ny farihin'i Constance. Nitantana io trano fitokana-monina io izy ny taona 1141 ka hatramin'ny taona 1146.

06 nôvambra — Niaina tany amin'ny taonjato fahenina tany ho any i Masindahy Léonard. Teraka tao amin'ny faritanin'i Gaule izy tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Anastase izay nanjaka tamin'ny taona 491 hatramin'ny taona 518. Miaramila manam-boninahitra tao amin'ny tafiky ny mpanjaka Clovis i Léonard.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...