Nitondra fihavaozam-panahy ho an'ny krsitianina ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny diosezin'Ambatondrazaka ny taona 2021. Fanamby telo lehibe no atrehan'izy ireo ankehitriny : ny fanatsarana ny rafitra hifanaraka amin'ny an'ny Eglizy maneran-tany, ny fanentanana ny kristianina hivavaka sy hiaina ny sakramenta, ary handray andraikitra ao amin'ny fiainan'ny Eglizy. Fifampizarana entin'i P. Sata Jean Noël Andrianasolo

05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.

♦ Nohamasinina ho eveka tamin'ny 1 nôvambra 2022, ny Nonce Apostolique vaovao, hiasa eto Madagasikara, hisolo tena ny Ray Masina François... ♦ Nifarana ny alarobia 2 nôvambra 2022 ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny tanora, mifantoka amin'ny fanabeazana ho amin'ny fiadanana, izay notanterahan'ny avy ao amin'ny Fanilon'i Madagasikara... ♦ Nanao antso avo ny hijerena manokana ny zo hiaina sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, nandritra ny lahateny voalohany nataony tao Bahreïn...

04 nôvambra — Teraka ny 02 ôktôbra 1538 i Masindahy Charles Borromée, tao amin'ny Château d'Arona. Vao roa ambin'ny folo taona monja izy dia nandova trano fitokana-monina tamin'ny fianakaviany. Teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany izy dia nofidin'ny papa ho kardinaly. Dadatoany moa ity papa ity, havany avy amin'ny reniny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...