Ny fambolen-kazo maharitra dia miaro ny rano sy ny tany, mampihena hafanana, ary manome fiainana ho an'ny taranaka. Misy ireo paik'ady tena ilaina : fisafidianana karazan-kazo mifanaraka amin'ny faritra, fanomanana zana-kazo, fanamboarana lavaka misy zezika natoraly, ary tsy azo adinoina ny fanaraha-maso isam-bolana. Ny Bôndy amin'ny alalan'ny fiofanana sy fifampitokisana iarahany amin'ny Centre Arrupe dia manabe sy manentana amin'ny fambolen-kazo ho tombontso ho an'ny taranaka... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mandeha amin'ny toerana iray ny Kristiana mba hamonjy ny fiaraha-mivavaka hankalaza ny Eokaristia. Ny Tenan'i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. Izy no mpisoromben'ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Samy manao ny anjarany amim-pahavitrihana avokoa ny reheta amin'ny fankalazana : vaky teny, fizarana kôminio... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Tokony omena sehatra amin'ny fanapahan-kevitra ny tanora amin'ny fanavaozana ny firenena. Nasongadina izany amin'ilay famelabelaran-kevitra niresahana ny fampandrosoana teny amin'ny UCM Ambatoroka... • Maromaro ireo fitokonana tao an-drenivohitra androany, noho ireo fitakiana samihafa. Nihetsika indray ny mpivarotra amoron-dalana, nitokona koa ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony... • Tsy eken'ireo mpiasan'ny Madarail ny hivarotana tsikelikely ity orinasa ity amin'Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Niroso tamin'ny fitokonana nanomboka androany ireo mpiasa, tamin'ny alalan'ny filanjana sora-baventy teny Soarano...
♦ Miantso ny olom-pirenena rehetra indrindra fa ny mpanao politika hifanome tanana hikatsaka ny tombontsoa iombonan'ny vahoaka ny Vovonana Iombonan'ny Tanora Malagasy (COJM) Mifanatona sy miresaka amin'ny mpitondra isan-tsokajiny moa izy ireo manoloana izany... ♦ Manaitra ny Fanjakàna foibe handefa ara-potoana ny vola fanampiana ny Kaominina ny Ben'ny tanànan'i Bemasoandro-Itaosy, Distrika Antananarivo-Atsimondrano ; tsy ampy isahanana ny fampandehanana ny fampandrosoana ny hetra miditra hoy izy... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny olona manana fahasembanana. Faritra isan'ny nankalaza izany Amoron'i Mania...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco