♦ Mitohy hatrany ny asan'ny vaomieram-pirenena mahaleontena misahana ny fifidianana (CENI), na miato aza ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy... ♦ Efa niverina nanomboka ny 12 novambra teo ny famatsiam-bola avy amin'ny Banky Iraisam-Pirenena ho an'i Madagasikara, tetik'asa miisa 24 no voakasiky ny famatsiam-bola mitentina 4 miliara Dollar... ♦ Namoaka filazana loza manambana, miloko mavo, ho an'ny lemak'Antananarivo lalovan'ny renirano Sisaony ny APIPA, tamin'ny 8 ora maraina teo... ♦ Fanirian'ny Papa Léon-XIV amin'ny fitsidihana firenena manaraka ny hamangy firenena afrikàna, isan'izany ny any Algérie...

Ireo "FA" miisa 4, mifampiankina sy mifameno : Fahalalana, fahaiza-manao, fahombiazana, fahavanonana. Ny fahalalana dia ilain'ny olona rehetra, antony handefasana ny ankizy hianatra, eo koa ny fiofanana maro lafy. Ny fanitaràna ny fahalalana dia mampitombo ny fahombiazana amin'ny zavatra hatao. Ny fahaiza-manao dia afahana mahazo vokatra, ary manome aina ny fahalalana. Miankina amin'ny tsirairay anefa fahafahana mitrandraka ireo "FA" miisa 4 ireo... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Vonona hitondra ireo porofo manamarina ny fisian'ny olona an-tapitrisany mitovy laharana kara-panondrom-pirenena tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2020, Andriamatoa Thierry Rakotonarivo... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely, rahampitso alakamisy 4 desambra, ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna 2026 (PLFI)... ♦ Mpianatra miisa 30 no traboina tsy manan-kialofana vokatry ny fahamaizan'ny Bloc-92 teny amin'ny Cité ho an'ny mpianatra Ambohipo, miantso tolo-tanana hanarenana haingana ny trano fonenany izy ireo...

Miankina amin'ny Eveka ny andian'ondry any amin'ny Diôsezy, io moa no iraka napetraka taminy satria ny Eveka no mpiandriondry nanakinan'i Kristy ny ondriny. Vatan'i Kristy miray amin'ny filohany no miara-mankalaza ny Litorjia, ankohonan'Andriamanitra iray manontolo anefa ny vatan'i Kristy, noho izany tsy asan'olona iray ny Litorjia fa fankalazan'ny Eglizy ny sakramentan'ny fiombonana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...