Fankalazàna sady fahatsiarovana ny lasa, vavaka mamelona fanantenana ankaotra ny maha vavaka fisaorana azy no avoitry ny vavaka Eokaristika ataon'ny Kristiana satria i Jesoa no nametraka io sakafo io tamin'ny fanasana nataony ny "Alakamisy Masina" ho ao anatin'ny rafitra litorjika. Ny hazofijaliana dia fanomanana antsika hiatrika ny sakafo homanin'i Jesoa... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nandiso ny fivoizana ny fikasana fanonganan'ny Antenimieram-pirenena ny Praiminisitra, ireo Solombavam-bahoaka nanontanina teny Tsimbazaza androany... • Hahena 50% ny fampiasana kitay arina fandrehitra amin'ny fahandroan-tsakafo eto Madagasikara amin'ny taona 2030. Nankatoavina androany teny Anosy ny politikam-pirenena momba ny angovo madio... • Mitaky “cité” hipetrahana sy vatsim-pianarana mbola tsy voaloa, ireo mpianatry ny ENS Ampefiloha. nidina an-dalambe sy nibahana fifamoivoizana izy ireo androany, nanehoan'izy ireo izay fitakiana izay...
Rehefa hamarana ny diany teto an-tany i Jesoa Kristy dia nanao fanasana fiaraha-misakafo tamin'ny mpianany sady fanamarihana ny fankalazàna ary fizaràna hafaliana amin'ny Paka io fotoana io ; izany no niandohan'io Eokaristia io, tandindonn'ilay sakafo farany niarahan'i Jesoa tamin'ny mpianany. Tsy afaka misaraka mihitsy ny sakafo farany "Eokaristia" sy ny hazofijaliana ary ny fitsanganan-ko velona... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Natolotry ny PNUD, fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana, ho an'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, ny tatitra ahafahana mandrefy ny fahavononan'i Madagasikara hanatanteraka ny fivadihana amin'ny sehatra nomerika... • Mitaky ny hananganana ny tena tetezamita, ny TAFITA Tambabe ho an'ny fanorenana ifotony ny tanindrazana. Tokony horavana avokoa ny rafitra rehetra, hoy izy ireo... • Nosokafana ofisialy androany, ny taom-pambolen-kazo 2025-2026, teny amin'ny Fokontany Amboara, Kaominina Imerintsiatosika. Vinavinaina hahatratra 7 alina hekitara ireo toerana ho voavoly ala, amin'izao taom-pambolena izao...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco