♦ Maneho ny ahiahiny manoloana ny ady any Moyen Orient ny fitondram-panjakàna Malagasy ary miantso ny fifehezan-tenan'ny andaniny sy ny ankilany ka hampitsaharana avy hatrany ny herisetra... ♦ Natolotry ny filohan'ny fanavaozana ny vondrona SADC ny sabotsy 28 febroary teo ilay antota-kevitra miraikitra ny tatitry ny asa vitan'ny fitondrana tao anatin'ny 4 volana sy ny vinan'asa anatin'ny 18 volana ho avy... ♦ Hiatrika fikaonan-doha nasiônaly amin'ity alatsinainy 2 marsa ity, etsy amin'ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato ny pôlisim-pirenena Malagasy...
--- "Hisokatra ho an’ny rehetra tsy misy tambiny ary hoan’ny tombotsoan’ny Malagasy." Io no isany fanehoan-kevitra nentin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara taorian’ireo fitsidihana ofisily nataony tany Rosia sy Frantsa farany teo. Misokatra ho an’ireo firenena vonona hiara-hiasa aminy i Madagasikara. Io no foto-kevitra ara-diplomatika entin’ny mpitondra raha ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana. Miompana amin’ny resaka toe-karena, ara-tafika ary ny sosialy, amin’ny an-kapobeny, ny fitsidihana nataon’ny filoham-panjakana malagasy tamin’ireo firenena vahiny ireo. Ao ambadiky ny fiaraha-miasa eo amina firenena roa tonta anefa dia tsy maintsy misy ilay antsoina hoe : " samy mahazo sy miaro ny tombotsoa hoazy "...
--- Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ka isany nankalaza izany isika teto Madagasikara. Filaharam-be nataon’ny fikambam-behivavy maro, arahina lahateny samihafa mazana no hetsika atao. Tsara aloha ny mampahatsiahy fa ny taona 1977 no nanambaran’ny Firenena Mikambana tamin’ny fomba ofisialy ny 8 mars ho andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ka marihana isan-taona...
Adidy no mifanompo ao anatin'ny fianakaviana, etsy ankilany anefa dia nataon'ny tompon'andraiki-panjakàna nifandimby ankilabao ny fiahiana ny fianakaviana, indrindra ny fitaizana ny taranaka. Goragora ny fanabeazana ara-piaraha-monina izay fototry ny fanabeazana ny ankohonana sy ny lafiny ara-pitondrantena. Ireo manana andraikitra dia variana mameno kitapo tahiry, raha mitantana ara-drariny anefa ka mametraka ny fifanajàna sy ny fifanompoana dia azo antoka ny hatafita ny firenena sy ny isan'ankohonana.. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco