• Mitaky ny hanaovana fitsirihana iraisam-pirenena ny Kianja Barea Mahamasina ny K2HB. Tsy tokony hijanona fotsiny amin'ny fanadihadiana parlemantera ny raharaha, hoy ity fikambanana ity... • Hanampy ireo vondrondra mpanafatra solika, ny orinasam-panjakana SPM, hisorohana ny mety ho tsy fahampian'ny solika eto amintsika. Solika 20.000 m3 no hampidramina azy ireo, hamatsiana ny filana eto an-toerana... • Mbola tsy mihatra araka ny tokony ho izy ilay didim-panjakana mampiakatra ny karama ho an'ny sehatra tsy miankina, roa volana aty aoriana. Manaitra ny Fanjakana ny FISEMARE, amin'izao fotoana fandraisan-karama izao...

• Mitaky ny hanaovana fitsirihana iraisam-pirenena momba ny Kianja Barea ny K2HB, taorian'ny nivoahan'ilay fanadihadiana parlemantera teny Tsimbazaza... • Mbola tsy mihatra araka ny tokony ho izy ilay didim-panjakana mampiakatra ny karama ho an'ny sehatra tsy miankina, roa volana aty aoriana. Manaitra ny Fanjakana ny FISEMARE manoloana izany... • Hiroso amin'ny fanasaziana ny Kaominina Ambohidratrimo, amin'ireo manarinary fako an-dalambe sy anaty lalan-drano. Nilaza ho hentitra amin'ny fanaraha-maso ny mpitantana...

• Miatrika fiofanana eto an-drenivohitra ireo mpampiofana amin'ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, hiparitaka any amin'ny faritra samihafa. Fiofanana mandritra ny telo andro, karakarain'ny FFKM... • Tanterahana any Manakara nanomboka omaly ny fifaninanana lalao ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakana, na ny ASIEF. Nanokatra izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Miantso ny tanora hitondra ny heviny amin'ny dingana famolavolana ny tetibolam-panjakana lasitra ho an'ny taona 2027, ny Filohan'ny Observatoire de la Jeunesse, Lanto Ratsida...

• Miainga amin'ny fametrahana ireo rafitra mpitarika ny fakan-kevitra hatrany amin'ny kaominina, ny fanafainganana ny asa hotanterahina amin'ny fikaonandoham-pirenena. Fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Vovonana RDM... • Tsy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, tamin'ny fitoriana napetrany ny antoko Kintana... • Niabo ny vokatra azon'ny CRS tamin'ny asa nataony amin'ny fanjarian-tsakafo, tany amin'ny faritra iasany. Nizara ny fomba fiasany amin'ireo tetikasa fampanjariana sakafo sahaniny izy ireo omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...