• Hotanterahina rahampitso eny amin'ny PAC 67ha ny fitsarana azon'ny besinimaro atrehina, momba ny raharaha fandefasana Boeing 777 any Iran… • Milaza ho gaga amin'ny tsy fahitana vahaolana momba ny delestazy eo anivon'ny JIRAMA, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara… • Mangataka amin'ny fitondram-panjakana malagasy ny mba hampidirana anaty tetibolam-panjakana 2027 ny saran'ny fanaovana “dialyse”, ireo marary voa miisa 167 mivondrona ao amin'ny fikambanana FMVDI…

♦ Misaotra ny kristiana ao amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa tamin'ny fifanotronana nandritry ny 24 taona niarahana i Mgr Fulgence Rabemahafaly. Nankasitraka azy tamin'ny asa vitany ihany koa ny handimy azy Mgr Jean Nicolas Rakotojaona... ♦ Tsy azo iodivirana ny fampiasana ny saina voatran'olombolena (I.A) saingy tsy maintsy mampianatra ny tanora hifehy azy io isika hoy ny mpampianatra informatika, mpitantana ny ISPM, Pr Raboanary Julien... ♦ Mila manana pôlitika ara-ketra mandrisika isika Malagasy raha te hampiroborobo ny indostria manodina ny vokatra ara-pambolena hoy ny mpahay toe-karena Dr Hugues Rajaonson...

♦ Mandray ny maha Arsevekan'i Fianarantsoa azy i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona herintaona aty aorian'ny naha Arseveka Coadjuteur an'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa azy. Neken'ny Papa Léon-XIV ny fangatahan'i Mgr Fulgence Rabemahafaly, hitsahatra... ♦ Seminarista sy skôlastika miisa 157 no notokanana ho mpamaky teny sy mpanotrona teny amin'ny seminera zokiny fandalinana teôlôjia Faliarivo eny Ambanidia. Nitarika ny Sorona Masina ny Evekan' i Miarinarivo Mgr Jean Claude Rakotoarisoa... ♦ Hiatrika ny fifaninana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny tetik'asa miisa 3 nivoaka nandresy tamin'ny POESAM teto Madagasikara...

♦ Nampidirina am-ponja ireo mpiasan'ny fandraharahana ny fonja miisa 3, isan' ireo voasaringotra tamin'ilay raharaha fivoahan'ny voafonja sinoa 11 teny amin'ny fonjan'Avaradrano... ♦ Hiditra amin'ny dingana faharoa ilay fakan-kevitra momba ny fifidianana notarihin'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika teny Iavoloha, antsoina hiady hevitra sy hamoaka tsoan-kevitra ireo vondrona sy fikambanana miisa 593 nandray anjara tamin'ny dingana voalohany hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Hisy hetsika fanentanana sy tetik'asa filamatra hitantanana ny rano ao anatin'ny tetik'asa PIAA-II ka fokontany  miisa 52 no hanaovana izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...