• Hamoaka vola taratasy vaovao ny Fanjakana. Nilaza ny Banky Foiben'i Madagasikara fa tsy misy ifandraisany amin'ny fakan-kevitra faobe ny momba ny ho avin'ny vola malagasy... • Vinavinaina hiakatra 5,1 % ny fitomboan'ny harinkarena faoben'ny firenena amin'ny taona ho avy, araka ny voarakitry ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2027... • Ahiana hiteraka fifandonana ny fitrandrahan'ireo teratany Sinoa volamena any amin'ny Distrikan'i Tsaratanana. Miantso ny Fanjakana handray andraikitra, dieny izao, ny solontenan'ny mponina any an-toerana...

♦ Mitsipaka marindrano ny fisian'ny fivoriana nikonokononana fanonganam-panjakana teny Ankaditapaka-Ankadifotsy ny Jeneraly misotro ronono Razakarimanana Ferdinand. Sao dia fikasana hanakana ny fahalalahana maneho hevitra izao zava-misy izao hoy izy... ♦ Manentana ny olom-pirenena hanana fasahiana handà sy hanohitra ny kolikoly ary hijoro amin'ny fahamarinana ny FJKM. Mifanohana sy miray fo amin'ny sekoly tsy miankina ny sekoly FJKM, momba ny rafi-panabeazana... ♦ Nipaka eny amin'ny vahoaka ny fanohanana nataon'ny fikambanana Money for Madagascar nandritry ny 40 taona niasany...

♦ Hihaona amin'ny tompon'andraikitry ny fampianarana tsy miankina indray ny ao amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena hidinika ny fomba hanatsaràna ny rafitra sy ny fanomanana ny fanadinana amin'ity taona ity. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny taom-panabeazana vaovao ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hiakatra fitsaràna tsy ho ela ireo voakasika tamin'ilay raharaha namoahana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna teratany sinoa miisa 11... ♦ Mitsipaka marindrano ny filazan'ny mpanolontsaina teknikan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny antoko KINTANA ; filazana fa isan'ireo mikasa hanongam-panjakana Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa...

• Natomboka ofisialy androany tamin'ny alalan'ny Sorona Masina, tetsy amin'ny kianjan'ny Oratorio Don Bosco Ivato, ny taom-panabeazana vaovao 2026-2027, ho an'ny Sekoly Katolika ato amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Tsy misy idiran'ny Minisitry ny Fitsarana ny namoahana an-tsokosoko ireo ireo voafonja Sinoa miisa 11, fa misy olona ambony nanome baiko izany, raha ny fanazavan'ny Tale miandraikitra ny fitsirihana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana... • Nandiso ny vaovao niparitraka ny Antoko Kintana, fa anisan'ireo mikasa hanongam-panjakana amin'izao fotoana izao ny mpitarika ny antoko, Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...