Toa ny olona sembana ary manana olana eo amin'ny fiainany izay tsy miaina ny fitiavana izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fitiavana dia azo adika ho hery anaty. Ny fampitahorana sy fanapepoana no mahatonga ny tsy fahatokisan-tena sy ny tsy fivelarana ; mba ho tena fanabeazana mahomby dia ilay ny teny famporisihana, lavitry ny fampitahana amin'ny hafa. Manampy amin'ny fanehoana fitiavana ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra ary ny teny famporisihana, indrindra ny fanokanana fotoana ho an'ny ankohonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Ny herisetra ao an-tsekoly dia matetika mitranga, maro anefa ireo tsy mahalala ireo voasokajy ho herisetra. Ny herisetra dia tranga misy avy ety ivelany miantefa amin'ny olona iray ka mitondra fijaliana sy fanaintainana, ao anaty indrindra indrindra. Ny herisetra araka izany dia misy karazany maro : ara-batana, ara-moraly. Mety hiteraka ratra anaty sy ao am-po, mampihorohoro ny saina. Tsy mahakasika irery ny mpianatra ny herisetra ao an-tsekoly fa mahakasika ireo voaresaka manodidina ny telozoram-panabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ho hitan’ny mpanjifa ato ho ato ny mari-pamantarana na ny label ahalalana ny vokatra avy amin’ny ronono vokarin’ireo mpamokatra ao amin’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Eo ampanomana izany amin’izao fotoana izao ny tompon’andraikitra. Lalana iray ahafahana manome antoka ny mpanjifa izy io hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana Safidy Rabemananjara fa manaraka ny kalitao sy ny fenitra ara-pahasalamana ny vokatra atolotra azy ireo. Te hametraka sy hisitona ny sain’ny mpamokatra sy ny mpanodina ary ny mpiatsehatra rehetra amin’ny lalam-pihariana ronono ny MDB fa vokatra fantatr’olona ny vokatra voamarina...

Ny fanabeazana ny maha-olona manontolo no fototra hanorenana olona mendrika sy fiaraha-monina mandroso. Tsy ny fanomezana fahalalana fotsiny ihany no tanjona fa ny fananganana olona manana fo, saina ary fanahy vonona hanompo ny hafa ary hanorina ny ho avy. Raha te hanana Madagasikara mandroso isika dia tsy maintsy manabe olona feno : mahay, marina, tia tanindarazana, manaja ny hafa ary matahotra an’Andriamanitra. Aza avela ho very ny taranaka noho ny tsy firaharahiana ; ny fanabeazana ataontsika anio no endriky ny firenena ho hitantsika rahampitso....

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...