Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo. Mifampizara traik’efa momba ny fikarohana amin’ny famokarana izy ireo mba afahana manatsara hatrany ny vokatra. Fahombiazana no azo tao anatin’izay 20 taona mahery nijoroan’ny fikambanna izay, indrindra ny fanatsaràna hatrany ny famokarana ny zezika kakana amin’ny alalan’ny fikarohana tsy mitsahatra...

Ny aretina mpahazo ny tenda dia aretina misy mandavan-taona, ary mety hahazo ny olona rehetra. Ny Aretin-tenda dia misy karazany maro: mety ho vokatry ny olana mahazo ilay kambon-tenda, amygdalite, pharyngite, laryngite... Ny anton'ny aretina dia fisian'ny tsimok'aretina na otrik'aretina manafika ny tenda, tsy fahazakana hatsiaka, tsy fahazakana sakafo sasatsasany. Ny tenda dia manomboka ao amin'ny ati-vava ka isan'izany ny kambon-tenda izay taova mpamorina hery fiarovana ho an'ny olombelona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Efa mahasarika mpanjifa avy any ivelany ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FIER MADA. Mpanjifa avy atsy Afrika Atsimo, any Belgique ary atsy amin’ny nosy La Reunion no efa nilaza fa ho avy hividy ny vokatry ny tantsaha. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA andiany faha 27 amin’ity taona ity. Hetsika ara-toekarena tanterahana eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo Renivohitra nanomboka ny alarobia 06 Aogositra hatramin’ny alahady 09 Aogositra izao...

Misy retsika mandray ny fanaintainana (recepteur de douleur) manaraka ny lalan-dra ao amin'ny karan-doha sy ny fonon'ny atidoha (meninge) ka raha misy zavatra manelingelina lalan-dra amin'io faritra io dia eo no hahatsapana ilay hoe "Marary loha. Tsy tokony hamaivanina ity aretina ity mampanaintaina ny loha, ary tsy tokony hihinana fanafody tsy nahazoana toromarika avy amin'ny mpitsabo. Misy tranga hafa mikasika ity aretina ity izay maneho sy fambara aretina hafa... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...