Tsy afaka miaina tsy misy fitiavana ny olombelona ary raha tsy misy ny fitiavana dia misy ho azy ny olana. Ny fitiavana no endrik'Andriamanitra mampitovy ny olombelona amin'ilay Nahary. Ny fo sy ny saina miaraka no tonga ho fanahy, izay maha-olona. Ny onjan'ny firaisan-tsaina dia misy ao amin'ny olona, efa hatramin'ny fotoana niforonany tao am-bohoka ; eo amin'ny 1,5 metatra eo ny elanelana afahana miaina sy mampita ny onjan'ny firaisan-tsaina, izay mampisy ny fifampatokisana sy ny fifanajana ary ny fifankatiavana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Eo amin'ny vanim-potoanan'ny fahatanorana no tena manano sarotra ny dingana, eo amin'ny fitohizanaina sy ny fanajana ny aina. Dingana tsy maintsy lalovana anefa ny fahatanorana, izany hoe ireo 17 hatramin'ny 25 taona, koa ilaina ny fahaizana miaina izany mba ho handram-piainana entina miatrika ny fiainan-tokantrano. Raha hitandro ny aina isika dia ny fikolokolina ny vatana no voalohany, ohatra ny momba ny sakafo, mba hasalamana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Tsy inihan'ny zaza na olona iray ny handitsaka am-pandriana. Ny teny mahery atao amin'ny zaza, ankizy na olon-dehibe izay manditsaka am-pandriana dia herisetra, ny tsara indrindra dia ny mamantatra ny mety ho anton'ilay tranga. Ny zaza mbola minono dia in-droa ambiny folo no mivalan-drano (pipi), tokony hisolo taty matetika ny zaza. Manomboka amin'ny faharoa taonan'ny zaza no tokony efa zarina hivalan-drano amin'ny toerana tokony hanaovana azy ny zaza. Ny mety ho antony : tsy fahazarana, fahataran'ny baiko ao amin'ny atidoha, tsy misy fahatsapana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fidiran’ny mpianatra eto Madagasikara dia tsy resaka fitaovam-pianarana sy saram-pianarana ihany, fa mifandray amin’ny toe-karena sy ny fiainan’ny tokantrano manontolo. Noho izany, ilaina ny fandaminana, ny fifampiresahana ary ny fametrahana laharam-pahamehana, mba hisorohana olona mety hiseho amin’ny fianaran’ny ankizy. Andraikitra iombonan’ny ray aman-dreny, ny sekoly, ny mpampianatra ary ny fiarahamonina ny fanohanana ny mpianatra. Ary amin’ny alalan’ny firaisankina sy fifanohanana no ahafahana miatrika ireo fanamby mba hisian’ny fahambiazana lavorary...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...