Ny telo volana fahatelo dia manana ny lanja, afahana mandrefy ny fivoaran'ny mpianatra sy ny asa fanabeazana. Ny fanadinam-panjakàna dia mamaràna ny telo volana fahatelo, noho izany dia singa lehibe mitondra any amin'ny fahafaham-panadinana sy fahazoana marim-pahaizana. Manam-pahaizana : manana fahaizana sy fahalalana amin'ny zavatra na asa iray. ny manampahaizana kosa dia ireo manana fahalalana maro-lafy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Misy karazany ny hao dia ny hao fotsy sy hao maity ; sokajina ao anatin'ny aretina satria azo avy amin'ny kantsetsitra (maladie parasitaire). Tsy voatery ho olona maloto no misy hao, fa rehefa tsy voatandrina na voasoroka ny fifindràny. Mety hifindra amin'ny fifampikasohana na fampisana ireo fitaovana avy nampiasain'ny hafa izy. 50°C hatramin'ny 55°C eo dia efa mahafaty ny hao raha ; ny toerana mety hisy ny hao amin'ny tenan'ny olona dia @ loha, vatana na akanjo ary ny faritry ny taova-pananahana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Nisy ny fampidirana karazam-baksiny vaovao tsy mbola nahazatra ny olona teto Madagasikara tato anatin'ny taona vitsivitsy izay : fiarovana ny Covid-19, ny M-Pox ary ny fiarovana amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ; tsy mandà ireny ny EKAR satria zo sy safidin'ny olona tsirairay ny hanao na tsia ireny. Mandrisika ny tompon'andraikitra mba hampitombo ny fampahalalana ny mikasika ireny vaksiny ireny, mba hampisava ny ahiahin'ny vahoaka. Ny filàna fanazavana dia ny tompon'andraikitra ara-pitsaboana sy fahasalamana rehetra no mamaha azy, fa ny safidy dia  an'ny tsirairay.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny olombelona dia tsy afaka miaina tsy misy fitiavana. Ao amin'ny fitiavana no miorina ny finoana, izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fifampiresahana, ny fifanankalozan-kevitra dia fototra mampanjary ny fifanakaikezana am-po ; mila mitandrina ny ray aman-dreny sy ny zanaka fa ny rivotra entin'ny teknôlôjia ankehitriny dia mahavita manozongozona ny fifampitokisana sy ny fifandraisan'ny fianakaviana. Ao anatin'ny teny dia misy hasina, tsara kokoa raha tso-drano am-bava no hafafy toy izay ozona... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...