Manamarika ny "Jobily kristaly" miampy taona iray ny fandaharana "MBA HO VANONA", fandaharana nanabeazana sy mbola mandray anjara amin'ny tantsoroka ha-olom-banona ny mpihaino. Ho tohin'ny ezaka dia irina ny hananan'ny tsirairay fahasalamana sy fahavanonana, indrindra fihavaozana anatin'izao kihon-dalana lalovan'ny Firenena izao dia ny fanavaozana. Miainga amin'ny tsirairay ny fanavaozana, mifototra amin'ny fihavaozan'ny toe-tsaina sy ny fomba fijery miabo. Teboka kely indrindra azo hiaingàna ny fahadiovana, io ny handrafitra tsikelikely ny rafi-tsaina. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Efa misy ny ezaka vita mikasika ny fampitovian-jo ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy, anefa mbola maro ihany koa no tsy tanteraka. Ny lalàna afahan'ny vehivavy misitraka zo sy lalàna miaro azy ireo dia maro no voadiaka sy tsy sitrahany. Ohatra mivaingana ny fampianarana sy ny fanabeazana, maro ny vehivavy tsy nomena fahafahana feno hianatra. Zava-dehibe anefa ny toerana sahanin'ny vehivavy, singa iray mampivelatra ny fianakaviana. Tokony misy fahafahana mitovy eo amin'ny lehilahy sy vehivavy, mba afahany mitombo sy mivoatra, samy mendrika fanajàna... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Hamerina ny lanjan’ny kafé teto Madagasikara toa ny nisy mialohan’ny taona 90 indray ny Fanjakàna Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fahaleovantena ara-tsakafo miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana sy ny any ivelany. Tanjona ny hananan’ny kafé malagasy ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra amin’ny alalan’ny fampitomboana ny vola miditra amin’izy ireo.

Vonona hampiroborobo ny toekarena ao aminy amin’ny alalan’ny fizahan-tany ara-tontolo iainana noho ireo harena voajanahary ao aminy ny VOI ao amin’ny nosy Sakatia Nosy Be. Nitsidika ny sehatr’asan’ny Vondron’Olona Ifotony tao Anja sy Tsaranoro samy ao amin’ny distrik’Ambalavao faritra Matsiatra Ambony izy ireo mba hitondra traik’efa hoan’ny VOI any DIANA ankohatra ny ao Sakatia...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...