Ny fitohizanaina manomboka amin'ny fotoana fitsaihina ao am-bohoka hatramin'ny vanim-potoanan'ny fahatanorana sy fahanterana dia hisian'ilay hoe "tsy maty ny aina fa mihofo." Tsy safidin'ny olona ny manapaka ny fotoana hiainana ny fitohizanaina satria tsy fahefan'ny olona ny mamono ny aina. Ny vanim-potoana fahatanorana (17 taona hatramin'ny 35 taona), avy nandalo handrakandrana, efa mahita hevitra kokoa hitondrana ny fiainana samy irery na eo aza ny tari-dalana omen'ny ray aman-dreny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny endometriose dia aretina eo amin'ny vehivavy izay miavaka amin'ny fisian'ny sela mitovy amin'ny rindrin'ny tranonjaza (endometrium) ivelan'ny tranonjaza. Ireo sombin-javatra ireo dia mamaly ny hormonina mandritra ny tsingerin'ny fadimbolana, ka miteraka fery, kista ary fanaintainana. Antony : Nolovaina avy amin'ny ray aman-dreny, fiforonana sy fahariana tsy nety tao anatin'ilay vehivavy hatramin'ny fahaterahany, tsy fahampian'ny hery fiarovana, fikorontanan'ny tsirim-panentana, olan'ny firafitry ny tranon-jaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Natomboka ofisialy tamin’ny alalan’ny atrikasa teny Anosy ny alakamisy 02 Jolay 2026 ny andiany fahatelo amin’ny fanangoanna ireo tsara ho fantatra mahakasika ny tontolon’ny fambolena na ny RGA3. Miantoka ny 30%n’ny hari-karena faobe ny tontolony ambanivohitra sy ny fambolena eto Madagasikara. Maherin’ny 75%n’ny Malagasy no misahatra sy manao asa fivelomana ny fambolena. Ny taona 2004 no nisy fanisana farany mahakasika ny tontolo ambanivohitra sy ny fambolena teto amitsika raha toaka isaky ny folo taona no tokony hanaovana izany...
Ny foto-teny ao amin'ny teny "Andraikitra" dia "raikitra" ary ao amin'ny "fitiavana" dia "tia" izany hoe "raikitra ny tia" midika fa raikitra amin'ny tena ny tia. Ankehitriny amin'ny fitenin-jatovo dia tsy dia fiteny loatra ny hoe "olon-tiako, vadiko" fa heno matetika ny hoe "Ankiziko", izany hoe mitaky andraikitra. Isika rehetra izay niroso tamin'ny fanambadiana dia efa nandray ho andraikitra ny fitiavantsika ny vadintsika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco