Ny fanajana ny kolontsaina fototra maha-Malagasy dia miteraka filaminana, azo tarafina amin'ny hasina sy ny lanjan'ny DINA eny amin'ny fiaraha-monina izany, izay mahery lavitra noho ny lalàna. Ny fitiavana dia azo ampifandrifiana amin'ny firaisan-tsaina, sy fifampatokisana sy fanajana ary fifanajana. Ny hitan'ny maso, ny tsapan'ny tanana ary ny ren'ny sofina dia samy mandrafitra ny rafin-tsaina maha olona. Ny hitan'ny maso ankehitriny no fomba tsotra anefa misy fahombiazana amin'ny fanentanana ny Malagasy ho amin'ny fiavaozana sy fanavaozana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Misy hafatra ho an'ny tanora hiditra amin'ny sehatry ny fanambadiana ; ity voambolana farany ity dia ahitàna foto-teny "VADY", izay midika ho fameno ihany koa. Ny fiainana teo anivon'ny ray aman-dreny sy ny fianakavina dia efa sehatra lehibe hanomanana sy hiombanan'ny tanora, hiriso amin'ny fanambadiana, isan'ireny ny andraikitra madinika sy ny maro hafa izay omena hizarany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Mijoro ao amin’ny faritr’i DIANA ankehitriny ny vovonana iadian-kevitra hoan’ny lalam-pihariana tantely na ny Plate Forme Miel DIANA. Manomboka miroborobo ao amin’ity faritra ity ny seha-pihariana noho ny tohana ataon’ny mpiara-miombon’antoka, dia ny tetikasa FFF FAO, ny HELVETAS ary ny Réseau SOA. Na dia maro aza ezaka vita ao DIANA momba izay fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely izay, maro ny fanamby mbola atrehana amin’ny hoavy...

Mila mandray andraikitra amin’ny fahasimban’ny tontolo manodidina sy ny ala ao amin’ny toerana misy azy ny tantsaha eny ambanivoitra. Mila fahaizana sy fifehezana ny teknika nefa ny fanataterahana izany. Mahatsapa izany ny Réseau SOA ka nampiofana tamin’ny alalan’ny atrik’asa momba ny tsara ho fantatra amin’ny fanarenana ny tontolo manodinana sy ny ala na ny RPF tao Antanetibe Mahazaza ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo an’ireo mpikambana avy amin’ny fikambanana SoaMitsinjo sy ny Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...