Ny fahombiazana dia miainga amin'ny fanadiovana ary ny fanarenana marina dia ny tsy fiankinana amin'ny tsindry aloka avy any ivelany na ireo Malagasy mpambotry sy mpangorin-karena, mpanao ampihimamba fahefana. Ho fanavaozana ny firenena dia ilaina ny firaisan-kina, ny fahavonona, ary ny fanapahan-kevitra matotra. Ny tena ray aman-dreny dia ireo izay mitsinjo ny ho avin'ny taranany. Ny fisokafana sy fiaraha-miasa amin'ny hafa dia harena lehibe afahana mampandroso ny tena sy ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Messe Chrismale sy fanavaozana ny tokim-panompoan'ny Pretra : teny amin'ny Ekar Antanimena, omaly, omaly no nanamasinana ireo Diloilo fampiasan'ny Eglizy katôlika amin'ny fanomezana Sakramenta... ♦ Madagasikara - Rosia : Noraisina teny amin'ny Toby Jeneraly Mounibou Ismaël, Bataillon Parachutiste, ireo fitaovana sy fanampiana ara-tafika... ♦ Fampiakarana Karama farany ambany : mitaky ny hamoahan'ny Fanjakàna ny didy fampiharana izany ny CTM, Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy, ho an'ity taona 2026 ity...
Ny ahiahy dia miteraka alahelo sy tebiteby eo amin'ny olona tsirairay, fikorontanana ara-tsaina sy ara-tsôsialy, fahasahiranana amin'ny fanapahan-kevitra marina eo amin'ny fiainana andavanandro, sy amin'ny fananganana fiaraha-monina mifototra amin'ny rariny sy ny fiadanana. Ireo ahiahy ireo dia vokatry ny faniriana sy hetahetam-paniriana tsy voahevitra tsara raha tsy ampiarahina amin'ny soatoavina kristiana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
• Tontosa teny amin'ny EKAR Antanimena androany maraina, ny Sorona Masina fanamasinana ireo diloilo fampiasan'ny Eglizy amin'ny fanomezana Sakramenta, sy ny fanavaozana ny tokim-panompoan'ny pretra... • Noraisina ofisialy androany, teny amin'ny toby Jeneraly Monibou Ismaël, Bataillon Parachustiste Iravto, ireo fitaovana sy fanampiana ara-tafika ho an'i Madagasikara, avy amin'ny fitondrana Rosiana... • Mitaky ny hamoahan'ny fanjakana ny didy fampiharana ny fampiakarana ny karama farany ambany, ho an'ity taona 2026 ity, ny CTM, Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco