• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
• Mitaky ny hirosoana haingana any amin'ny fihaonambem-pirenena ny Komity Miaro ny Tolona. Io ihany, hoy izy ireo, no lalana hamaritana ny rafitra hitondrana ny firenena sy ny andrim-panjakana tokony hofoanana... • Mpiasa 15 no nampiantsoina teny amin'ny Bianco, noho ny ahiahy kolikoly nahafahana niditra ho mpiasan'ny ACM. Ny mpitantana teo aloha no tokony henjehina amin'ity raharaha ity, hoy ny Randrana Sendikaly... • Misy ny fisolokiana amin'ny alalan'ny fanaparitahana vaovao momba ny fanampiana ara-bola omen'ny Minisiteran'ny Asa. Efa nametraka fitoriana momba izany ny tompon'andraikitra, hanenjehana izay tompon'antoka...
---/... 10 aogositra 1991- 10 aogositra 2026. 35 taona lasa izay ilay hetsi-bahoaka, tamin'ny alalan'ny diabe nananika ny Lapan’i Iavoloha. 35 taona lasa izay ilay rà nandriaka nitakiana ny tsaratsara kokoa. Olona an'aliny maro tamin'izany no nihetsika teny amin'ny kianjan'ny 13 mey, nitaky ny fialan'ny filoha Didier Ratsiraka sy ny handrodanana ny « mandan’i Jerikô », araka ny fiteny tamin’izany. Maro no maty, tsy tambo isaina ireo naratra, rehefa voafandriky ny vanja nilevina sy ny tifitra avy eny ambony angidimby tamin'io andro andro Sabotsy io...
• Nitombo isa indray ireo pretra eo anivon'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara. Diakra roa no nohamasinina ho pretra tany Betafo omaly... • Feno 35 taona katroka androany ilay diabe nankeny Iavoloha nifarana tamin'ny rà mandriaka. Efa adinon'ny ankamaroan'ny Malagasy izany datin'ny 10 aogositra 1991 izany, 35 taona aty aoriana... • Nitondra fanazavana tamin'ny alalan'ny fanambarana navoakany ny Federasiona, manoloana ny karaman'i Maître Rôrô, izay nambarany fa mbola tsy voaloa...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco