---/... Ankalazaina isaky ny faha 5-n’ny volana Jona ny andro Maneran-tany ho an'ny Tontolo Iainana, araka ny tapaka nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1972. Anton’ny fankalazana moa ny mba hisarihana ny saina amin'ny toetry ny tontolo voajanahary maneran-tany ary indrindra indrindra ny hanasongadinana ireo olana ara-tontolo iainana vokatry ny nataontsika olombelona ihany.

• Hetsika maro samihafa no nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, androany 5 jona. Isan'ny nandray anjara tamin'izany ny Oratorio Don Bosco Ivato... • Mbola ambany ny tahan'ny vokatra ronono jifain'ny Malagasy, raha miohatra amin'ny atsy Afrika sy ny any Eoropa. Isan'ny nivoitra izany androany, nandritra ny fanamarihana ofisialy ny andro eran-tany ho an'ny ronono, teny amin'ny zaridainan'Antaninarenina... • Mandroso ny asa fananganana ny “Parc éolien” ao Antsiranana, hampitomboana ny famokarana herinaratra ao an-toerana...

Manana ny mampiavaka azy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny famokarana saonjo ao amin’ny Distrikan’Ankazobe ato amin’ny Faritra Analamanga, indrindra fa ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Fihaonana. Velon-taraina nefa ireo tantsaha mpamokatra ao amin’ity distrika ity fa nidina ambany tsy araka ny niheverana azy ny vidiny taorian’ny fandalovan’ny rivodoza teto amintsika tamin’ity taona ity.

• Sekoly maro ao anatin'ny Kaominina Talatamaty sy Ivato no miara-mandray anjara amin'ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, ety amin'ny Oratorio Don Bosco Ivato, amin'ity 5 jona ity... • Vonona hiady amin'ny endrika kolikoly rehetra manimba ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara, ny fitondrana Fanavaozana, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana... • Hiatrika lalao sakana hahafahana miroso any amin'ny lalao ampahefa-dalana ao anatin'ny fiadina ny amboara eran-tany eo amin'ny taranja Basketball lalaovin'olona telo, ny Ankoay Lehilahy anio. Hihaona amin'i Lafrantsa...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...