Alahady 02 aogositra 2026. Alahady faha-18 mandavantaona — A — Ray aman-dreny Andriamanitra, fa mpamelona ara-nofo sy ara-panahy. Aleloia. Aleloia. Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Aleloia. Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo, ny asany rehetra angorahany. Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin’ny asany rehetra; ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy, dia ireo izay miantso Azy marina...

Misy retsika mandray ny fanaintainana (recepteur de douleur) manaraka ny lalan-dra ao amin'ny karan-doha sy ny fonon'ny atidoha (meninge) ka raha misy zavatra manelingelina lalan-dra amin'io faritra io dia eo no hahatsapana ilay hoe "Marary loha. Tsy tokony hamaivanina ity aretina ity mampanaintaina ny loha, ary tsy tokony hihinana fanafody tsy nahazoana toromarika avy amin'ny mpitsabo. Misy tranga hafa mikasika ity aretina ity izay maneho sy fambara aretina hafa... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Nilaza ho tsy afa-po tamin'ny fandaminana ny fikaonandohan'ny tanora natao tety Ivato ireo avy amin'ny Gen-Z, nandray anjara betsaka tamin'ny tolona teto amin'ny Firenena... ♦ Namoraina ny fandoavana onitra ho an'ireo tompon'ny tany sy trano tsy maintsy horavàna noho ny tetik'asam-panjakàna. Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakàna momba izay hoy ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Mikarakara fakàn-kevitra isam-paritra ny Vondron'ny Mpanabe Mijoro manomboka tamin'ity herinandro ity, hanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Hitety Faritra izany hetsika izany, atsy ho atsy...

♦ Mandrahona hidina an-dalambe ireo tanora eo anivon'ny Gen-Z, raha mitohy ny fanao teo aloha. Nivoaka tamin'ny fahanginana indray izy ireo, omaly... ♦ Natomboka omaly ny fametrahana ny foto-drafitr'asa goavana Fly-Ouver eny amin'ny tetezana Anosizato. Haharitra 24 volana ny asa, handaniana vola maherin'ny 128 miliara Ariary... ♦ Mihatra amin'ny fandraisan-karama manomboka ny faran'ny volana teo ilay fisondrotan-karama 14 % ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina... ♦ Mandrahona ny hampiato ny fisitrahan'i Espagne ny Espace Schengen ny vondrona Erôpeana, manoloana ny krizin'ny fifindra-monina any an-toerana...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...