• Manentana ny mponina ato amin'ny Faritra Analamanga, mba hazoto hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, ny Lehiben'ny Fairtra mpisolo toerana, Raharinirina Clémence... • Mitohy hatrany ezaka ataon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana, hamongorana ny fiparitahan'ireo entana lany daty manerana ny nosy, amin'ny alalan'ireo kaomisera sy mpanara-maso ny varotra... • Tafapetra ofisialy eny Antanimora ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiainre” na ny ACAP. Sampana misahana ny fitantanana ara-panahy ny mpandraharahan'ny fonja izy io...

♦ Tontosaina mandritry ny 3 andro etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandohan'ny tanora ho an'ny sehatra nasiônaly. Lohahevitra amin'izany ny hoe : manome feo ny tanora, ho an'ny fanavaozana ny Firenena... ♦ Zo voafaritry ny lalàna notapahana tamin'ny filan-kevitry ny Minisitra ny fisitrahana tamby ho an'ny fanofana trano (Indemnité de logement) ho an'ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana hoy ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Zazalahy kely 2 taona no maty tsy tra-drano teny Tsaramasay Ankorondrano androany maraina. Voahitsaky ny fiara tsy mataho-dalana...

♦ Tsy tokony hitarina ny fotoanan'ny tetezamita hoy ny filohan'ny antoko HVM. Tsy mahamaika hoy Andriamatoa Rivo Rakotovao ny firosoana amin'ny fifidianana filoham-pirenena... ♦ Mitohy androany ny fikaonandohan'ny tanora ho an'ny sehatra nasiônaly, tontosaina etsy amin'ny CCI Ivato hatramin'ny rehampitso. Mandray anjara amin'izany ny Federasiôna ivondronan'ireo Ampanjaka sy ray aman-dreny ara-drazana eto Madagasikara... ♦ Namono olona iray indray ny valan'aretina MPox ny talata lasa teo araka ny tarehimarika navoakan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoakka omaly...

Ny fanajana ny kolontsaina fototra maha-Malagasy dia miteraka filaminana, azo tarafina amin'ny hasina sy ny lanjan'ny DINA eny amin'ny fiaraha-monina izany, izay mahery lavitra noho ny lalàna. Ny fitiavana dia azo ampifandrifiana amin'ny firaisan-tsaina, sy fifampatokisana sy fanajana ary fifanajana. Ny hitan'ny maso, ny tsapan'ny tanana ary ny ren'ny sofina dia samy mandrafitra ny rafin-tsaina maha olona. Ny hitan'ny maso ankehitriny no fomba tsotra anefa misy fahombiazana amin'ny fanentanana ny Malagasy ho amin'ny fiavaozana sy fanavaozana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...