• Ambany ny tahan'ny fampiasam-bolam-panjakana ho an'ny enimbolana voalohany ny taona 2026. Isan'ny fantatra izany androany nandritra ny fanaovana jery todika sy tombana amin'ny fanatanterahana ny teti-bolam-panjakana, tetsy amin'ny CCI Ivato... • Tsy maintsy mbola hidina an-dalambe ny Gen-Z, raha mbola mitohy ny fomba ratsy fanao ara-politika nisy teto amin'ny firenena... • Mitaky ny fialan'ny Tale misahana ny maha olona, sy ny tompon'andraikitra misahana ny “paramédicaux”, eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny mpiasan'ny fahasalamana mivondrona ao amin'ny sendika SISFM...

• Tonga ao amin'ny Diosezin'Ambanja ny relikan'i Masindahy François d'Assise... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiaire” (ACAP) eto Madagasikara... • Mamarana ny fankalazana ny faha-100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Fikambanana Trinitera...

• Tsy honohono fa efa tena misy ireo tambajotran-jiolahy amin'ny famarinana olombelona, eto Madagasikara... • Hotanterahana ny 17 sy 18 aogoistra 2026 ny adihevitra momba ny fangatahan'Andriamatoa Ravatomanga Mamy fahafahana vonjimaila miaraka amin'ny antoka... • Nihaona an-databatra boribory tamin'ireo mpampiasa vola ejipsianina ny Filohan'ny Fanavaozana, Randrianirina Michaël...

• Andrasana ny tatitra hataon'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, anio zoma, taorian'ny fahataperan'ny fe-potoana 48 ora, manoloana ny tambin-karama fanampiny momba ny trano fonenana... • Tsy azo ekena ny fanerena ireo mpiasa hanatrika io fanaovana tatitra anio zoma io, hoy ny filazana avy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ary efa nisy ny fihaonana sy ny fifanekena... • Mitohy hatrany ny ezaka ataon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana, hamongorana ny fiparitahan'ireo entana lany daty manerana ny nosy, amin'ny alalan'ireo kaomisera sy mpanara-maso ny varotra...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...