Ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona araka ny fomba malagasy, nanomboka ny taona 2021 no nananganan'ny Papa François ny andro maneran-tany ho an'iretsy voatanisa etsy aloha. Tamin'ny alahady 26 jolay 2026 teo no fankalalazana natao teo anivon'ny fiangonana, izay fankalazana ny fetin'i Masindahy Joachim sy Masimbavy Anne, ireo ray aman-drenin'i Masina Maria, izany hoe raibe sy renibe an'i Jesoa. Ny soatoavina Malagasy dia manome lanja sy haja ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona.... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Efa nigadona tao amin'ny Paroasy Katedraly Namahora-Morondava omaly hariva tamin'ny 5 ora ny Mgr Martial Andrianandrainy sy ireo delegasiôna avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Misy ny antso avy amin'ny FFKM manoloana ny fotoam-bavaka eny amin'ny fidasiana Lapan'ny Tanàna Analakely, anio amin'ny 9 ora sy sasany maraina... ♦ Nafampàna ny tao Ambositra taorian'ny nahitàna an'i Larissa, izay tovovavikely hita faty rehefa nisy naka an-keriny... ♦ Ao anatin'ny asan'ny fikambanana action catholique isan'andro, any Burundi ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra...
♦ Mbola mitana ny heviny hatramin'izay ny antoko UNDD mikasika ny tokony hisian'ny fampihavanana eto amin'ny Firenena. Izay tapaka mandritry ny fikaonandoham-pirenena no rafitra tokony hajoro hoy Andriamatoa Manoro Régis... ♦ Manara-maso ny fizotry ny fanadinana Bakalôrea any amin'ireo Foibem-panadinana any Faritra ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tSiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy... ♦ Nanao tatitra ampahibemaso tao Antsirabe momba ny fampiasana ny volam-panjakàna sy ny fitantanan-draharaha any amin'ny Kaominina ny Fitsaràna momba ny kaonty Antananarivo...
Andriamanitra dia fitiavana, ny fitiavana no fototry ny fiainan'ny olombelona. Tandindonin-doza ny ho avin'ny rehetra noho ny fiovan'ny rafi-piaraha-monina vokatry ny rivotra entin'ny tambazotran-tserasera izay manimba ny fifandraisana sy ny maha-olona (saina, fo, vatana, fanahy). Ny fanajana sy ny fifanajana no fefy hiarovana ny fiaraha-monina, izay miainga amin'ny fitiavana. Ndeha hosanatriavina ny hoe KARAVASI (KARAna - VAzaha - SInoa) no hany hampandroso ny firenentsika fa mba izay soa nomen-janahary an'i Madagasikara. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco