♦Nigadona eto Madagasikara ny tolakandro teo ny lehiben'ny fikambanana FMA Maneran-tany Masera Chiara Cazzuola... ♦ Mila manamafy ny fitandremana ny faritra maro eto Madagasikara fa ahitàna aretina haromontana mahazo ny biby mafàna ra... ♦ Nitsidika ny toerana hanaovana ny andrana amin'ilay tetik'asa famadihana ny ranomasina ho azo sotroina any amin'ny Faritra Androy ny Mpanolontsaina Avon'ny Fanavaozana, ny Kôlônely Rampanarivo Solofoniaina Thierry... ♦ Mitohy ny fikarohana ataon'ny pôlisy an'ireo tompon'antoka tamin'ny fitifirana olona nitranga tany Afrika Atsimo, ny faran'ny herinandro teo...
♦ Olona miisa 3.000 no nirotsaka an-tsehatra nanatanteraka fanadiovana faobe niaraka tamin'ny Fikambanana Fanjiry tao Antananarivo-renivohitra, ny faran'ny herinandro lasa teo... ♦ Miezaka hatrany manamora ny fiainan'ny mpanjifa, azo antoka sy malalaka amin'ny fitantanana ny volany, ny BGFI Banky amin'ny fanomezana tolotra vaovao "Gasy Money"... ♦ Notontosaina tany amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa nandritry ny 3 andro ny fihaonamben'ny Antilin'i Madagasikara... ♦ Isan'ny nanamarika ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon-XIV, ny fihaonana tamin'ireo marary sy mpitsabo ary mpikarakara tao Lourdes...
♦ Laharam-pahamehana ho an'ny fitondràna fanavaozana ny famerenana amin'ny laoniny ny filaminam-bahoaka hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël nandritra ny lanonana famaranana ny fikaonan-doham-pirenen'ny tafika... ♦ Herintaona aty aorian'ny nahafatesan'ny Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'i Betioky Atsimo, Rabenirina Jean Jacques, mitaky hatrany ny hivoahan'ny marina momba izany ireo fianakaviany... ♦ Fanararaotra lehibe ho an'ny kaontinanta Afrikana, ary indrindra h an'i Madagasikara ny ZLECAF. Sehatra iray mampivondrona mpanjifa mihoatra ny arivo tapitrisa...
.../… Nivaly iny ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Lasa ihany ny eritreritra hoe moa azo lazaina fa tafita amin’ny fianarana ve ny afa-panadinana bakalorea? Mbola hanohy sa hijanona hatreo ? Fianarana aiza no aleha ? Baraingo mieloelo an-tsain'ireo tanora afaka bakalorea izany rehetra izany. Dia hanao inona tokoa aorian’ny Bacc? Raha hitady asa moa sarotra satria tsy ampy ny ho amin’izany ny mari-pahaizana. Na koa mahita ihany fa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizana azo. Dia maro ny tanora no lasa miasa any amin’ny orinasa afakaba. Dia ho aiza na hanao inona tokoa ?...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco