Mijoro ao amin’ny faritr’i DIANA ankehitriny ny vovonana iadian-kevitra hoan’ny lalam-pihariana tantely na ny Plate Forme Miel DIANA. Manomboka miroborobo ao amin’ity faritra ity ny seha-pihariana noho ny tohana ataon’ny mpiara-miombon’antoka, dia ny tetikasa FFF FAO, ny HELVETAS ary ny Réseau SOA. Na dia maro aza ezaka vita ao DIANA momba izay fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely izay, maro ny fanamby mbola atrehana amin’ny hoavy...
Mila mandray andraikitra amin’ny fahasimban’ny tontolo manodidina sy ny ala ao amin’ny toerana misy azy ny tantsaha eny ambanivoitra. Mila fahaizana sy fifehezana ny teknika nefa ny fanataterahana izany. Mahatsapa izany ny Réseau SOA ka nampiofana tamin’ny alalan’ny atrik’asa momba ny tsara ho fantatra amin’ny fanarenana ny tontolo manodinana sy ny ala na ny RPF tao Antanetibe Mahazaza ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo an’ireo mpikambana avy amin’ny fikambanana SoaMitsinjo sy ny Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI...
♦ Efa nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora ireo olona miisa 4, voarohirohy tamin'ny famonoana ilay tovovavikely tany Ambositra. Miantso fitoniana ny ray aman-dreniny... ♦ Hisy isan'andro isaky ny amin'ny 6 ora sy sasany hariva ny tatitra ataon'ny Ivon-toeram-pibaikona mandridra ny ady atao amin'ny tsy fahitàna olona (CCO)... ♦ Handray fepetra hafa amin'ny fanendrena ireo lehiben'ny vaomiera mpanisa mpifidy eny ifotony ny CENI, manoloana ireo olana misy eny amin'ireo fokontany sasany... ♦ Samy miandry fatratra ny hanombohan'ny dinika nasiônaly ireo mpisehatra politika sy mpitarika fivavahana any RDC...
Lasa ampahany lehibe amin’ny fiainan’ny tanora ankehitriny ny interneto sy ny tambajotra-tserasera. Sehatra iray manampy amin’ny fianarana, fifandraisana, fitadiavana vaovao, fanehoana talenta ary fananganana fahafahana vaovao izy ireo. Kanefa, miaraka amin’izany dia misy ihany koa ireo loza mety hitranga toy ny vaovao diso, fanorisorenana an-tserasera, fisolokiana, famitahana ary fampiasana tafahoatra. Ny interneto dia fitaovana mahery vaika; miankina amin’ny fomba ampiasantsika azy no hahatonga azy ho fanampiana na ho fandrika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco