Raha mijery ny tontolo iainantsika eto Madagasikara, indrindra ny ety andrenivohitra dia hita sy tsapa fa miana ao anaty loto ny mponina. Antony maro no mety mahatonga izany fa ny ho resahatsika anio dia mikasika ny “sachet plastique” sy ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny fahasalaman'ny mponina, ny zava-misy momba ny fampiharana ny lalàna misy, ary ireo safidy maharitra sy mora ampiasaina hisolo ny plastika amin'ny fiainana.

• Milaza ny hijoro hatrany ny Solombavam-bahoaka Rajerison Antoine na dia tafapetraka eny amin'ny Antenimieram-pirenena aza ny fangatahan'ny Minisiteran'ny Fitsarana, hanalana ny tombon-jo ananany amin'ny maha solombavam-bahoaka azy... • Andrasana ny fanazavan'ny FFKM momba ireo tetiandro samihafa arahina amin'ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël... • Nifarana ny atrikasa fandravonana sady famaranana ny fandaharanasa Varuna SD sy Varuna LF. Isan'ny mpiara-miasa tamin'izany ny RDB...

• Milaza ho tsy miditra loatra amin'ny raharahan'ny Fitsarana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika. Naneho ny heviny momba ny raharaha fanenjehana ireo Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny HCC izy androany... • Tsy mitombina ny filazana fa mbola manome vahana ireo “forongony” ny Faritra Analamanga, hoy Ramatoa Clémence Raharinirina. Nambarany tamin'ny mpanao gazety androany fa fanaratsiana sy fanenjehana fotsiny izany... • Nanendry mpitantana vonjimaika hisahana ny Vondrona SODIAT ny PAC Antananarivo. Notendrena amin'izany andraikitra izany Andriamatoa Serge Jovial Imbeh...

• Tsy hita taratra, hoy Ramatoa Perles Rasoloarijao, ny asan'ny Fitsarana Avo tokony hitsara ireo olona manam-pahefana nanodikondina ny harem-pirenena. Mila enjehina ara-pitsarana ireo nanao ny tsy nety teto amin'ny firenena... • Fandresena miisa roa omaly, no azon'ny Ekipam-pirenena Ankoay Lehilahy, amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny Basketball lalaovin'olona telo, any Varsovie.... • Hampandraisina andraikitra iadiana amin'ny kolikoly ny tanora, amin'ny alalan'ny tetikasa iarahana amin'i Soisa sy ny OIF...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...