• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...
• Mila fitoniana sy filaminana ny firenena, mba hisian'ny fampandrosoana haingana sy maharitra, hoy ny fikambanana ACS, ivondronan'ny Loholona sy ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha... • Natolotra ny Foibe Fikarohana ho an'ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra, na ny FOFIFA, ireo masomboly vary nohatsaraina nentin'ny delegasiona malagasy notarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, nandritra ny fitsidihana ofisialy tany Egypta... • Misy fahavakisana fantsona lehibe eo Mandroseza, ka miteraka fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny faritra maro eto an-drenivohitra, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny JIRAMA...
Efa mahasarika mpanjifa avy any ivelany ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FIER MADA. Mpanjifa avy atsy Afrika Atsimo, any Belgique ary atsy amin’ny nosy La Reunion no efa nilaza fa ho avy hividy ny vokatry ny tantsaha. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA andiany faha 27 amin’ity taona ity. Hetsika ara-toekarena tanterahana eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo Renivohitra nanomboka ny alarobia 06 Aogositra hatramin’ny alahady 09 Aogositra izao...
• Tontosa omaly ny fihaonana teo amin'ny PDS an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny solontenan'ireo sendika eo anivon'ny mpiasa, nandinihina ny tambin-karama fanampiny momba ny trano fonenana... • Mirona ary mizotra amin'ny dinika politika ny ankamaroan'ireo mpanao politika, saingy mametraka fepetra amin'ireo izay afaka handray anjara amin'izany... • Hiakatra kianja indray anio ny Ankoay Zazalahy eo amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika amin'ny taranja Afrobasket latsaky ny 18 taona...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco